airtel

Actualités

02-sept-2026

Ravalomanana Richard

10 taona sazy an-terivozona an-tranomaizina

Sample post image

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

02-sept-2026

Io ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana omaly 01 septambra 2026. Nanomboka ny maraina no niakatra teo anivon’ny Fitsarana ady heloka bevava ity Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ity, ary tamin’ny 4ora hariva tany ho any vao nivoaka ny didy. Afaka misitraka fanalefahan-tsazy izy, ary manana 3 andro hanaovana fandravana didy. Vesatra telo no niampanagana azy : tsikombakomba tamin’ny vono olona, fandratrana olona niniana natao, fandrahonana ho faty. Nambaran’ny Fitsarana ho diso paikandro ny vesatra fahatelo izay voalaza fa tranga tamin’ny 2019, raha ny 2023 kosa vao napetraky ny Tale Jeneralin’ny SIRAMA teo aloha ny fitoriana. Mifandray amin’ny fanomezana baiko sy toromarika, ary famporisihana ireo mpitandro filaminana hampiasa hery nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka ny volana septambra-oktobra 2025 kosa ireo vesatra roa nanamelohana azy. Raha hiverenana, manodidina ny 22 hatramin’ny 28 ny isan’ny maty nandritra ny hetsi-bahoaka herintaona lasa, raha ny navoitran’ireo tatitra samihafa. Ny Firenena Mikambana na ny ONU no namoaka voalohany, fa 22 no lavo tao anatin’io, raha nilaza kosa i Andry Rajoelina fa 12 ireo lavo. Nantsoina hiatrika ny fotoam-pitsarana omaly ireo tanora isan’ny nandray anjara tamin’ny tolona toa an’i Fitiavana Mickael, Mba Lait ary Soa De Valiha, saingy tsy tonga tao amin’ny Fitsarana izy ireo. « Mazava ho azy fa hanao fandravana izahay ! Manaiky ny didim-pitsarana. Fitsarana ara-dalàna iny, dia manaiky ny didim-pitsarana isika, fa ny lalàna moa dia misy ny fampiakarana dia hanao an’izay izahay », hoy ny Mpisolovava Lazatiana Razafimamonjy. mpiaro an-dRavalomanana Richard. Ara-politika, tsiahivina fa isan’ireo tompon’andraikitra ambony tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina naherihery fiteny ka toa lasa nisy endrika fihatsiana vahoaka vahoaka ity manamboninahitra misotro ronono ity, toy nilazany fa tsy misy vahoaka maharesy basy izany, tsy mahantra ny Malagasy satria feno ny tsena « grande surface », misy ny fitohanan’ny fiara lavareny,… Ny tao anaty Fitondrana ihany no nanongana azy rehefa nafana ny toe-draharaha, ka nesorin’ny Birao mahatry ny antenimierandoholona tsy ho filohan’io andrim-panjakana io ny 12 oktobra 2025. Nanambana hanohitra sy hampiasa fitaovam-piadiana ary vonona ho faty ny 24 desambra 2025, rehefa nisy ny fikasana hisambotra azy. Nilatsaka ny didy henjana mikasika ny raharaha mahasaringotra ny Jeneraly misotro ronona Ravalomanana Richard, izay voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandratrana vahoaka. Heverina fa mbola ho avy ihany koa ny an’ireo hafa toy ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, ireo Minisitra teo aloha voarohirohy amina kolikoly avo lenta, ireo olona ambony teo aloha tafiditra amin’ny afera fanodinkodinana volam-panjakana,… Betsaka no mbola tsy afa-po tamin’ny sazy, raha fomba firesaka foana ho an’ny ankilany ny hoe : valifaty politika, antsojay,… Dia lasa atao kitapo iray ny zava-drehetra, voizina foana any amin’ny hoe : « fanamelohana sy fanagadrana ara-politika ». Rahoviana vao tena hiavaka tsara io eto amintsika ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap