airtel

Actualités

12-août-2024

Rio Tinto QMM

Nampahafantatra ireo tetikasa laharam-pahamehana

Sample post image

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra maromaro tamin’ny fiarahamonina voakasiky ny fitrandrahana,

12-août-2024

nanolotra ireo tetikasa RSE laharam-pahamehana teo anivon’ny komity mpandinika momba izany, izay notarihin’ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany, niaraka tamin’ny minisitra miisa 2 misahana ny jono sy ny tontolo iainana, ireo solontenan’ny minisitera hafa, ary ny governoran’ny faritra Anosy, i Rio Tinto QMM, ny alakamisy 8 aogositra 2024, hoy ny fampitam-baovaon’ny QIT Madagascar minerals ny sabotsy teo. Hatramin'ny nanasoniavana ny fifanarahana vaovao tamin'ny taona 2023, mba hamaliana ny tena filàn'ny fiaraha-monina, hoy ny fanazavana, dia nisy ny hetsika fampahafantarana sy atrikasa notanterahina niaraka tamin'ny fiarahamonina, ny olobe, ary ireo mpiara-miombon'antoka hafa. Niara-niasa tamin'izany i Rio Tinto QMM sy ny faritra Anôsy. Nofantarina tao anatin'izany ireo tetikasa RSE laharam-pahamehana, izay natolotra tamin'ny alakamisy teo. Nanasongadina ireo tetikasa hotanterahina any ifotony io fihaonana io, toy ny famatsiana ny herinaratra eny ambanivohitra, ny fampisitrahana rano fisotro madio, ny fanohanana ny fandraharahana sy ny maro hafa. Hankatoavina amin'ny filankevitry ny minisitra ny lisitr'ireo tetikasa ireo mba hahazoana antoka ny fangaraharana sy ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola natokana ho amin'izany, araka ny fepetra voarakitra ao anatin'ny fifanarahana vaovao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap