fari-dranomasin'i Madagasikara, andro maromaro lasa izay. Tratra izy ireo niaraka tamin’ireo mpanjono tao anatiny ka nivoaka omaly Talata 09 May ny didy. Nogiazana ireo sambo roa ireo izay mitondra ny anarana Ruth Baby sy Ruth Baby 3. Mandoa lamandy Ar1,050 miliara isaky ny olona ihany koa ireo voakasika ary lela-vola 900 tapitrisa Ar isaky ny fesotsy na dauphin efa nojonoiny. Ankoatra ireo voalaza etsy ambony ireo dia mbola migadra 02 volana an-tranomaizina ihany koa ireo mpanjono an-tsokosoko ireo.Nomena ny Ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga kosa ireo sambo roa nampiasain'ireto mpanjono tsy ara-dalàna ireto hampiasainy amin’ny fanaraha-maso ny jono eto amintsika. Tsiahivina moa fa mbola ireo karazan-trondro sy hazan-dranomasina mampiavaka antsika eto Madagasikara hatrany no nokendren’ireto mpanjono an-tsokosoko ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo sambo tratra !
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,