fankalazana ny fetin’ny 26 Jona, niverenan’ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovantena izao. Fotoam-pivavahana lehibe entina hisaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no hanokafana izany ao amin’ny Ekar Imerinafovoany ny 12 Jona ho avy izao. Vavaka iraisam-pinoana hatrehin’ny rehetra no hatao amin’izany ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fametrahana ny tohin’ny fiainan’ny kaominina eo am-pelatanany indray. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic moa fa ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’Andriamanitra mialohan’ny hanatanterahana azy na inona na inona. Hisy ihany koa ny fitondrana am-bavaka ny firenena mandritra izany. Ho an’ny kaominina manokana moa dia hiara-hiombom-po ny rehetra mba hanomezan’Andriamanitra fahasalamana ny mpitantanana hahafahan’izy ireo manasoa ny vahoaka.
Pati
Legende : Zava-dehibe ny fiaraha-mivavaka tahaka izao !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny