airtel

Actualités

15-mars-2024

Tambazotra aterineto

Nitrangana fikorontanana indray

Sample post image

Nitrangana fikorontanana indray ny tambazotra aterineto omaly,

15-mars-2024

ho an’ireo mpanjifa ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma moa izany. Naneho fialan-tsiny sy nampahafantatra ny anton’izany ihany moa ity orinasa ity. Raha ny fanazavana dia resaka fikorontanana eo amin’ny sehatra iraisampirenena mihitsy no nitranga. Miezaka mijery ny lafiny tekinika ahafahana manarina sy mampandeha amin’ny laoniny indray ny fampitana ireo tekinisianina, hoy hatrany ny voambara. Mazava ho azy fa dia maro indray ireo sorena nanoloana ny zava-niseho, indrindra, ireo manana asa mifototra amin’ny resaka fifandraisan-davitra satria tsy ny fifandraisana ihany no nahitana fiantraikany ratsy vokatr’izany fa ny asa fivelomana manontolo mihitsy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap