Hahafahana mampihena ny sakana hahazoan’ny daholobe fahasalamana dia misy ankehitriny ny tolotrana tekinolojia ezahana ho tody hatreny amin’ny fiainan’ny tantsaha ny fiantraikany. Araka ny fanazavan’ny mpanorina ny tetikasa izay miantsoroka azy io na ilay antsoina hoe Mtomady na Mobile tomady, Elsa Rajemison, dia miara-miasa amina orinasa maka vokatra aondrana any ivelany izy ireo ao anatin’izany. Ireo orinasa ireo, hoy izy, dia manome tan-tsoroka ara-pahasalamana ho an’ny tantsaha. Ny anjaranay ao anatin’izay araka izany dia mampiditra ireo tantsaha anaty vovonana dizitaly misy anay hifandraisany amin’ny rantsana ahafahany misitraka fitsaboana. Misy ampaham-bola alohan’ireo tantsaha ao anatiny ao fa misy alohan’ireo orinasa kosa. Fantatra ao daholo izany ny lalan’ilay vola nomen’izy ireo hoe ohatrinona ny vola nomeny, avy aiza, iza no tantsaha afa-nisitraka ilay izy sy ny toy izany. Ahafahana manatsara ny tsinjodia tokony atao amin’ny resaka fahasalamana izay. Tekinolojia novolavolaina teto Madagasikara izy ity. Nisy, noho izany, ny fidinana ifotony nijerena ny odidina misy eny amin’ireo tantsaha, ny mikasika ny lafiny tambazotra, ny fahaizan’ireo tantsaha mikirakira ireny hairaha vaovao ireny ary na tsy manana finday azy izy, ohatra, dia omena karatra SIM ary raha amina toerana tsy misy tambazotra dia omena karatra dizitaly ahalalana ny misy azy. Miisa 154.000 izao ireo misitraka ny Mtomady manerana faritra miisa 15 eto amin’ny nosy. Tantsaha ny ankamaroany. Raha ny taona 2018 izahay no nanomboka niara-niasa tamina tetikasa iray miahy ny vehivavy bevohoka dia teo no nitsiry ny hevitra hoe raha misy ny antsoina hoe «mobile money» ankehitriny dia maninona moa raha mba manangana poketra tsy iahiana afa-tsy fahasalamana fotsiny kosa, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny