airtel

Actualités

28-mai-2025

TOAMASINA

Mpianatra roa tratra nanao firaisana an-kalamanjana

Sample post image

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

28-mai-2025

Mpianatra lahy sy vavy manodidina ny 15 taona mahery eo ho eo avy hoy ny loharanom-baovao azo no tratra nanao firaisana an-kalamanjana. Omaly Talata 27 May no nitrangan’izany ka ny aron’akanjon’ireo mpianatra izay hamantarana ny sekoly misy azy ireo no nahafantarana azy ireo. Napetrany teo akaikin’izy roa ireo ny aron’akanjo ka nisonanika naka fahafinaretana izy ireo. Tsy hanalabaraka mpianatra no antony namoahana ny vaovao hoy ny mpanao gazety namana any an-toerana fa ny mba hanairana ny Fitondram-panjakana sy ny Ray aman-dReniny mikasika ny fanabeazana azy ireny kosa. Vao 12 taona mantsy ny ankizy iray indrindra fa ny zazavavy dia efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo eto amintsika, antony mahatonga ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana. Vokatry ny tsy fahampian’ny fitaizana no mahatonga izany amin’ny ankapobeny. Eo ihany koa ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny sy ny zavatra hitan’ny mason’ny ankizy hataon’ny olon-dehibe ao an-trano. Ilaina ny mifehy izany rehetra izany raha tiana ny hananana taranaka vanona.
Pati
Legende : Ireo mpianatra nanao firaisana izay azon’ny mpanao gazety horonan-tsary mihitsy !

 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap