airtel

Actualités

28-mai-2025

TOAMASINA

Mpianatra roa tratra nanao firaisana an-kalamanjana

Sample post image

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

28-mai-2025

Mpianatra lahy sy vavy manodidina ny 15 taona mahery eo ho eo avy hoy ny loharanom-baovao azo no tratra nanao firaisana an-kalamanjana. Omaly Talata 27 May no nitrangan’izany ka ny aron’akanjon’ireo mpianatra izay hamantarana ny sekoly misy azy ireo no nahafantarana azy ireo. Napetrany teo akaikin’izy roa ireo ny aron’akanjo ka nisonanika naka fahafinaretana izy ireo. Tsy hanalabaraka mpianatra no antony namoahana ny vaovao hoy ny mpanao gazety namana any an-toerana fa ny mba hanairana ny Fitondram-panjakana sy ny Ray aman-dReniny mikasika ny fanabeazana azy ireny kosa. Vao 12 taona mantsy ny ankizy iray indrindra fa ny zazavavy dia efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo eto amintsika, antony mahatonga ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana. Vokatry ny tsy fahampian’ny fitaizana no mahatonga izany amin’ny ankapobeny. Eo ihany koa ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny sy ny zavatra hitan’ny mason’ny ankizy hataon’ny olon-dehibe ao an-trano. Ilaina ny mifehy izany rehetra izany raha tiana ny hananana taranaka vanona.
Pati
Legende : Ireo mpianatra nanao firaisana izay azon’ny mpanao gazety horonan-tsary mihitsy !

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap