airtel

Actualités

29-juil-2024

TOMBOLA NOKARAKARAIN'NY COSMOS

20 tapitrisa Ar no loka natolotra ho an’ireo tsara vintana

Sample post image

Mitentina 20 tapitrisa Ar no lela-vola natokan’ny Cosmos ho an’ireo mpanjifa tsara

29-juil-2024

vintana nandray anjara tamin'ilay tombola lehibe nokarakarain’izy ireo ny datin’ny 12 Jona ka hatramin'ny 07 Jolay lasa teo. Mpanjifa nividy entana tao amin'ny Cosmos àvy any Mahajanga no nahazo ny loka voalohany. Mahatratra 17 amin’izao fotoana izao ny mangazay sy ny ivon-toeran’ny Cosmos, izay nandray anjara tamin’izany, ka i Antananarivo no ahitana tranom-barotra betsaka indrindra satria mahatratra 7, ary 2 ny ao Mahajanga. Notanterahina afak'omaly Sabotsy 27 Jolay ny fizarana ny lokan’ireo telo nitsiakian’ny ho an’ny teto Antananarivo, taorian'ny ankitsapaka izay natao. Avy eto Antananarivo kosa ireo roa ambiny ho an’ny telo voalohany, dia Atoa Rolland Guy nahazo ny «bon d’achat » na taratasim-bola mitentina 3 tapitrisa Ar ahafahana manjifa entana ao ao amin’ny Cosmos. Mitentina 2 tapitrisa Ar kosa ny « bon d’achat » hahafahana mividy entana azon-dRajaoferson Kanto mpanjifa fahatelo nahazo ny loka ambony indrindra. Boulloird mitentina 60.000 Ar no novidiany tao amin'ity magazay ity. Mbola tsy fantany kosa izay entana hovidiana amin’ilay taratasim-bola azony. Nambaran-dRalimina Felana tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny cosmos moa fa azon'ireo npanjifa ireo hatao koa ny mividy entana any amin'ny Sport 2000 izay mpiara-miasa amin'izy ireo amin'ny alalan'ireo taratasim-bola ireo. Mivarotra karazan’entana maro toy kilalao, ny finday ary kojakojan-dakozia koa ny Cosmos.
Toky R sy Pati
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niakatra ny fanjifana tao anatin’ny 2 taona, miakatra 5% isan-taona ny filàna herinaratra,

Card image cap
04-juin-2025

Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,

Card image cap
04-juin-2025

Fety goavanambe no hotanterahina ao anatin'ny kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

Card image cap
04-juin-2025

Am-pifaliana no ilazàna amintsika fa nanaiky ny fandaminana ny tsena eto Antehiroka

Card image cap
04-juin-2025

Mirongatra be amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe «Punaises de lit» na haom-pandriana,

Card image cap
03-juin-2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Card image cap