airtel

Actualités

20-mars-2024

Trafika_Seranam-piaramanidin’i Toliara

Vazaha iray nahatrarana sokatra 6 sy bigibôsy

Sample post image

Lehilahy teratany vahiny handray ny fiaramanidina hiazo an'Antananarivo

20-mars-2024

no nahatratrarana sokatra miisa 06 tao anatin'ny valiziny teny amin'ny seranam-piaramanidina Toliara omaly 19 marsa martsa maraina. Vao niditra ny seranam-piaramanidina ity farany dia tsikaritrin'ny Polisy fa nanao fihetsika mampiahiahy ka avy hatrany dia narahina maso akaiky. Nosavaina ny valizy noentiny ka nahatratrarana sokatra miisa 06 izay nafeniny tao anaty vata hazo miisa 02. Ankoatra ireo sokatra tao anaty boaty dia nahitana « big boss » telo izay nolazainy fa tsy fantany fa noheveriny fa ranomanitra na ireny « parfum » ireny, kanefa misy soratra mazava. Nanempotra tao amin’ny seranam-piaramanidina ny « big boss » iray fa nopotseriny, saika loza fa soa ihiany fa mbola tsy tafiditra tao anaty fiaramanidina, hoy ny tati-baovao avy any an-toerana. Nentina teny anivon'ny biraon'ny Polisy Ekonomika tao Toliara ity lehilahy ity hatao fanadihadiana, ka mety hiakatra fitsarana anio. Mandeha hatrany izany ny endrika halatra sy trafikana harem-pirenena satria vao telo andro ihany koa izay no nahatrarana votanky na « baobab nain » miisa 1066 tao anatin'ny baoritra miisa 17 sy gony miisa 07 tao Sakaraha, izay saika hoentina aty Antananarivo. Raha voaaro sy tsara tantana ary tena hampiasaina ho an’ny fanarenana ara-toekarena ny harem-pirenentsika tena tsy tahaka izao i Madagasikara, saingy zary olom-bitsy aloha hatreto no tena mitavana sy mambotry azy ireny.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap