airtel

Actualités

18-juil-2024

Trafikana volamena avy eto Madagasikara

Mampivarahontsana ny tatitry ny Iraisam-pirenena

Sample post image

Tsy misy toerana tsy ahitana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, raha tsy hilaza afatsy ny volamena, vatosoa, solika mavesatra,…

18-juil-2024

Ny dosie stratejika na ny « cartographie » any am-pelantanan’ny vazaha dia mamaritra ireo toerana rakotra harena, toy ny volamena tsy toko tsy forohana any amin’iny Faritra Ambilobe iny, toy ny ao Betsika, ka mahatonga ny sinoa miady sisika any. Tsy ampianarina antsika ny harenantsika, tsy tena ny Malagasy no misitraka azy, fa olom-bitsy, ny mafia, ny mpitondra sasany,… Vao ny desambra 2023 ihany koa izay no nisian’ilay raharaha fanagadrana ny governora tao Betsiboka satria niray tsikombakomba tamin’ny sinoa nampiasa ireo fitaovam-panjakana na « engins » nentina nitrandraka volamena tsy ara-dalàna,… Mby aiza izao ny tohin’ireo ampahana trafika tratra ? Aiza ho aiza ny tohin’ny fametrahana tahirim-bolamena ao amin’ny Banky Foibe ? Firy taonina no voaangona sy naondrana hatreto ? Volamena 2 kg no naondrana amin'ny fomba ara-dalàna tamin’ny febroary 2024 teo. Orinasa miisa 6 no nambara fa efa nahazo alalana tamin'ny filankevitry ny minisitra hanondrana volamena. Nahazo alalana hametraka "comptoir" momba ny volamena. 15 taonina isa-taona ao anatin'ny 5 taona no tanjona, izay heverina hampiditra vola vahiny 900 tapitrisa dolara isan-taona, raha ny vinavina, ka asa manao ahoana ny dingana ? Ny Arabo no nambara fa hanohana ny fananganana « raffinerie d’or » eto ka asa na mifanindran-dàlana amin’ny fihazakazahana hampiditra ny Emirates Airlines sy ny fametrahana masoivoho any aminy ? Niato nanomboka ny oktobra 2020 ny fanondranana volamena, saingy ny tatitra tonga tamin’ny « Département des Affaires économiques » avy eo anivon’ny Firenena Mikambana dia nisy trafika 2,490 taonina niondrana tany Dubaï ny 2021 mitentina 500 miliara Ar eo ; 515kg mitentina 120 miliara Ar ny taona 2022 ; 1,19 taonina tany Turquie ny 2023 mitentina 280 miliara Ar,… Ny fanondranana ofisialy resahin’ny Fanjakana anefa 2kg ! Tsy vao sambany, fa ny tatitry ny « Cour des Comptes » ihany koa aza dia efa nilaza fa nahatratra 4,5 taonina ny trafikam-bolamena teo anelanelan’ny 2018-2022, ka vola 780 miliara Ar no tsy niditra tamin’ny kitapobolam-panjakana. Ireo firenena voatonona nandehanan’ny trafika ireo no hiara-hiombon’antoka amintsika ary ny fanadiovana volamena farany teo aza toa tany Turquie. Dia asa hoe : hanao ahoana ny fandehany ? Vao ny volamena ireo fa mbola tsy resahana ny zava-manan’aina sy ny maro hafa!
AFAKA HAMPANDROSOANA RAHA TSARA TANTANA
Raha mandray ohatra amin’ireo firenena vahiny, nampidi-bola 63 miliara dolara ho an’i Afrika Atsimo teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2022 ny fanondranana harena an-kibon'ny tany (volamena, diamant, manganèse, chrome, charbon, fer, uranium,…). Niantoka 7,53%-n’ny harin-karena faobe tany an-toerana ho an’ny taona 2022 sady nampiditra hetra manodidina ny 5,6 miliara dolara ary nampiasa olona mivantana maherin’ny 475 000. Fiaraha-miasa amin’ny mampiasa vola matotra maro izay manao ny fitrandrahana indostrialy no voalaza fa nahazoana ireo vokatra ireo. Mby aiza i Madagasikara ? Solika mavesatra hanodinana ny Jirama aza hafarana kanefa misy eto. Mbola ao Afrika Atsimo aza no manafatra « charbon de terre » ny orinasa lehibe mila izany satria tsy voatrandraka ny ao Sakoa, ny mpampiasa vola tsy marisika noho ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ny kolikoly avo lenta toy ilay afera fitakiam-bola be tamin’ny Gemfields,… Ny trafika manginy fotsiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Card image cap
24-juin-2025

Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny

Card image cap
24-juin-2025

Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa

Card image cap
24-juin-2025

Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello

Card image cap
24-juin-2025

Mitohy ny antsojay mahazo ireo mponina eny Imerintsiatosika,

Card image cap
24-juin-2025

Ho fanamafisana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany mandritra ny ny fankalazana

Card image cap