mangatsiakan’i Tricha, ilay zanaka vavin’i Fandrama nisy namono tao an-tokantrano ny Alahady 27 Aprily lasa teo. Amin’ny 12 ora sy sasany ny razana no hiala ao an-tokantranony ary entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany ao amin’ny Ekar Maria Manjaka 67 ha. Efa misy moa ny olona ahiahiana fatratra amin’ity raharaha ity. Mihalalina hatrany ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana koa inoana fa ho fantatra tsy ho ela ny marina. Tsiahivina fa vao 17 taona i Tricha raha miisa 4 kosa ireo iraitampo aminy. Tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea izy no izao nisy nisompatra izao. Niditra an-keriny tao an-tokantranony ireo olon-dratsy. Nofatoran’ireto farany ny tanany izay voalaza ho folaka mihitsy ary naolany ilay tovovavy kely tsy manan-tsiny avy eo. Namoy ny ainy vokatr’izany Ratompokovavy. Mila mailo sy mitandrina isika eny anivon’ny fiaraha-monina eny fa efa tena miharatsy ny fiainana. Aleo hidina hatrany ny trano na ny vavahady rehefa irery ao an-tokantrano ny tena na ny ankizy. Tokony halavirina ihany koa ny fampidirana olon-tsy fantatra ao an-tokantrano ao. Ireny mantsy amin’ny ankapobeny no mivadika ho gisa mainty rehefa entin’ny fialonana na koa ny fitsiriritana.
Pati
Legende : Manantena ny hivoahan’ny marina tsy ho ela momba ny zanany ilay nitondra folo volana an-kibo an’i Tricha !
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,