airtel

Actualités

05-mai-2025

Tsirambin’ny mpitantana amin’ny asa saropady

Mpiasan’ny APIPA 4 matin’ny entona tao anaty « dalle »

Sample post image

Mpiasa efatra an'ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo)

05-mai-2025

no namoy ny ainy tetsy 67 Ha ny marainan’ny sabotsy teo, ka anisan'izany ny “Chef du Service de la Maintenance et de l’Exploitation” sy ireo lehilahy telo mpiasa mpanadio lakandrano niaraka taminy. Ireto avy izy ireo : RAKOTOARINDRESY ANDRIANTSIFERANA Sandasarobidy, 44 ans, (Chef du Service de la Maintenance et de l'Exploitation), RAKOTONDRASOA Avotriniaina Jemima, 24 ans, (Eboueur), RAKOTONIRINA Tojosoa, 24 ans (Eboueur), RAKOTOARISON Laza, 24 ans (Eboueur). Araka ny tatitra voalohany, entona mahafaty avy tao amin’ny « dalle » mifandray amina lakandrano ambanin’ny tany no nitarika fahasemporana sy fahafatesana tampoka ho azy 4 mirahalay ireo. Misy ihany koa ny tombatombana fa mety nisy akora simika na poizina nivadika tao anaty tambajotra fanariana rano maloto, na nalatsaka tsy nahy. Nisy ny fiaraha-midinika sy fifampidinihana niarahan’ireo rantsa-mangaika isan-tokony, dia ny BNGRC, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny INSTN, ary ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, izay mpiandraikitra mivantana ny APIPA. Nangatahana mba hanao fitsirihana ara-teknika teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny Institut National des Sciences et Technologies Nucléaires (INSTN), ka voamarina fa nisy gazy mahafaty (gaz toxique) tao anatin’ilay “dalle”. Mazava ho azy, fa niseho ny loza vao nisy fikoropahana fa tsy nisy aroloza sy fisorohana nialoha toy ny resaka EPI (Equipements de Protection Individuelle, fitaovam-piarovana manokana amin'ny teny malagasy, toy ny arotava (masque à gaz, respirateur) hisorohana ny fidiran’ny entona na vovoka manimba, Sarontava sy solomaso hiarovana ny maso sy tarehy, Fitafiana manokana miaro amin'ny ranoka manimba, simika na hafanana, Kiraro fiarovana (chaussures de sécurité), Fonon-tanana (gants), Fehikibo fiarovana ho an’ny asa eny amin’ny toerana avo. Ny tsy fisian’ireo EPI ireo no anisan’ny antony lehibe nahafaty ireo mpiasa nandritra ny loza nitranga tetsy 67 Ha, ka tsy finiavana hanome tsiny, fa mety ho zavatra azo nosorohana raha tena matihanina ny fiarovana sy fitandroana ny ain’ny mpiasa amin’ny sehatra saropady tahaka ireny, saingy isan’ny olana eto amintsika foana moa ilay hoe : miseho ny zava-doza vao milaza fa mandeha ny fanadihadiana, ary handray fepetra. Mankahery ny mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ireo namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap