airtel

Actualités

03-déc-2024

TSY FAHAIZANA MITANTAM-BOLA

Miteraka olana eo amin’ny mpivady

Sample post image

Miteraka olana eo amin’ny mpivady ny tsy fahaizana mitantam-bola.

03-déc-2024

Mety hihafara amin’ny fisarahana mihitsy izany rehefa diso milofo loatra ny iray nefa mpandanilany foana ny iray. Manoloana io tranga io dia nanofana ireo mpikambana ao aminy ny SMMEC etsy Besarety ny faran’ny herinandro teo. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fampianarana ny olona mba hahay hitahiry mantsy izy ireo fa mampianatra ny fahaiza-mintanana ihany koa mba hananana ambim-bava hahafahana manatanteraka tetikasa. Rehefa manana tetikasa ny Ray na Renim-pianakaviana iray dia fantatra fa azon’izy ireo tohanana tsara amin’ny ny alalan’ny fampihindramam-bola koa hahafahana mampandroso ny asa fihariana ao an-tokantrano. Mpikambana mihoatra ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana. Rehefa misosa miditra mantsy ny vola ho an’ny SMMEC dia milamina sy mihatsara ihany koa ny fifandraisan’ny mpivady ao an-tokantrano ao, antony iray mety hampihena ny tahan’ny fangatahana fisaraham-panambadiana etsy amin’ny tribonaly Anosy izay tsiahivina fa manodidina ny 60 isa isan’andro eo ho eo amin’izao. Narahin’ny fizarana loka ho an’ireo mpikambana tsara vintana nandray anjara tamin’ilay tombola nokarakarain’izy ireo izany.
Pati
Legende : Mampitombo ny fahaizana amam-pahalalana ny fanarahana fiofanana !

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,

Card image cap
05-juin-2025

Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,

Card image cap
05-juin-2025

Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY

Card image cap
05-juin-2025

Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany

Card image cap
05-juin-2025

Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria

Card image cap