airtel

Actualités

16-mai-2024

Tsy voavidy vola a ! Tsy voavidy vola a !

Fanjakana tan-dalàna, firenena tsara tantana,

Sample post image

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

16-mai-2024

Malagasy misitraka sy mivelona amin’ny haren’ny taniny na an-tanety na ambanin’ny tany, na anaty rano,… Ireo indray no anisan’ny nofiko alina. Tonga saina hono ny mpitondra, ka nitodika tamin’ny tena fampandrosoana fa tsy nilalao ny fahoriam-bahoaka sy nanao izay hanabadoana hilentika faran’izay lalina. Tonga saina sy niova ho tena tia tanindrazana, ka nanapaka-kevitra fa homena ny lanjany amin’ny lafiny rehetra ny fampianarana, hampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny firenena, havadika ho fanoitra ho an’ny fandrosoana ka omena hasiny miaraka aminy ny vahoaka Malagasy izay harena voalohany. Endrey izany hafaliako tao anaty nofy, fa nifoha ny Malagasy, lasa nahay nandinika sy nandalina kokoa ka lasa mahay mijery lavitra, tsy voavidy vola sy sô na koveta na menaka kely tsy mahavita taona, fa nijoro sy nirona amin’ny foto-kevitra tena hanarenana ny firenena. Indrisy anefa, taitra tampoka aho, tapaka ilay nofinofy mba hiriako iainan’ny firenena. Ny fahakiviana mialohan’ny fotoana dia naman’ny faharesena tsy miady, koa mino aho fa na ho ela na ho haingana mbola ho tonga amin’izany isika. Mila manam-pinoana, mila miasa, mila mamokatra, fa indrindra indrindra mila Malagasy mifanohana fa tsy mifaninana,… Dia mba tsy hira fotsiny anie ilay hoe : dia ho sambatra tokoa ilay Madahasikaranay…
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap