airtel

Actualités

24-sept-2026

Valéry Ramonjavelo

Voatsipaka ny fangatahana

Sample post image

fahafahana vonjimaika

24-sept-2026

Notsipahan'ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon'ny mpisolovava ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Ramonjavelo Valery, taorian’ny fanemorana ny fitsarana ho amin’ny 27 oktobra. Ny tenany izay voasaringotra tamin'ny raharaha Boeing 777 nalefa tany Iran. Nohazavain’ny mpisolovava fa tsy misy porofo ara-panjakana manamarina fa nandray vola ny mpanjifany. Nanampy izy fa misy antony ara-pianakaviana manokana, satria mbola eo am-pitsaboana taorian’ny fandidiana ny iray amin’ireo zanaka, ka ilaina ny fisian’ny Ray aman-dReny. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mikasa hiala ny firenena ny minisitra teo aloha, na dia manana fepetra fandraràna tsy hivoaka ny firenena (IST) aza izy. “Nanana ny fomba hialana izy, toa ireo hafa, saingy tsy nanao izany. Ary hatrany dia nanaraka ny antso nataon’ny mpanadihady,” hoy ny fanazavana. Na dia nisy aza ireo antony napetraka, tsy nekena ny fangatahana famotsorana. Mifanohitra amin’izany, olona enina hafa voampanga ao anatin’ity raharaha ity no nahazo fahafahana vonjimaika. Anisan’izany ny vehivavy 74 taona, tompon-trano nampiasain’ny Udaan Aviation ho adiresy vonjimaika, ary koa mpitondra taratasy, mpamily ary mpiambina. Ho an’ireo vahiny dimy tafiditra ao amin’ny raharaha, mbola miandry ny fitsarana amin’ny 27 oktobra izy ireo, toa an'i Gervais Damasy, tale jeneraly teo aloha tao amin’ny Aviation civile de Madagascar (ACM), izay tonga nanatrika tao amin’ny PAC. Nambaran’ny filohan’ny fitsarana fa tsy nisy solontena avy amin’ny ACM, izay "plaignant" amin’ity raharaha ity, tonga tao amin’ny efitra. Maro ihany koa ireo voampanga tsy tonga, anisan’izany i Mamy Ravatomanga, izay mbola voasambotra any Maurice. Ireo tsy fisiana ireo no nahatonga ny fanemorana ny fitsarana ho amin’ny 27 oktobra. Tsara ny manamarika fa mahafantatra 33 ireo voasaringotra amin'ity raharaha ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-sept-2026

Tsy VFM no olana ho anay satria

Card image cap
24-sept-2026

NAMPIANATRA ZAZA NITONDRA QUAD

Card image cap
23-sept-2026

Handray fitenenana ny PRRM rahampitso

Card image cap
23-sept-2026

Tena tafajoboka lalina, sarotsarotra ny ho aviny ‎

Card image cap
23-sept-2026

ho an’Analamanga sy ny masoivohony

Card image cap