airtel

Actualités

22-mars-2024

Vary mety amin'ny tany manta

Natolotra ofisialy omaly ny "mavitrika"

Sample post image

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 21 marsa 2024 tetsy

22-mars-2024

Nanisana ny karazam-bary vaovao antsoina hoe " Mavitrika", voka-pikarohan'ny FOFIFA avy ao amin'ny JIRCAS ( Japanese International Research Center for Agricultural Science) sy avy ao amin'ny Oniversiten' i Bonn. Niara-niasa tamin'ny tantsaha ny famoahana ny voka-pikarohana ary nohamarini'ny SOC (Service Officiel de Contrôle de semence). Raha ny fanazavana teknika, eo amin'ny 1,8 taonina/ha ny vokatra azo amin'ny "mavitrika" raha eny amin'ny tany manta, raha toa ka mahatratra 4,5 taonina/ ha raha tany misy zezika. Tombony aminy ihany koa ny fahazakany ny fiovaovan'ny toetr'andro, tsy fahampian-drano, ary mampatanjaka ny tany manta ihany koa ity karazam-bary ity. Eo amin’ny kalitao, dia feno otrik’aina natoraly toy ny zinc mitondra hery ho an’ny olombelona. Faritra roa dia i Vakinankaratra sy Boeny no efa nanaovana ny fanandramana, izay nahitam-pahombiazana, ka ezahana haparitaka any amin'ny tantsaha mpamokatra amin'ny faritra hafa hiatrehana ny taom-pambolena 2024-2025, raha ny tatitra hatrany. Fanoitra lehibe ho an'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny fanitarana ny velaran-tany ho volena ity voka-pikarohana ity, izay tsy mijanona amin'ny voly vary an-drano ihany », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ka niantsoany ireo sehatra tsy miankina izay vonona hiara-hiasa amin'ny ministera ho fanatsarana ny famokarana eto Madagasikara. Anisan'ny nanome vononahitra ity fotoana ity ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian sy ny minisitra maromaro, ary ny avy amin’ny JICA na ny Ivon-toerana japoney ho an'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga

Card image cap
23-juin-2025

Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha

Card image cap
23-juin-2025

Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.

Card image cap
23-juin-2025

Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,

Card image cap
23-juin-2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Card image cap
23-juin-2025

Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,

Card image cap