airtel

Actualités

01-oct-2026

Voaheloka sy mbola

misy dosie goavana i Marie Michelle

Sample post image

5 taona an-tranomaizina,

01-oct-2026

12 hafa herintaona sazy mihantona
Voaheloka higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra i Sahondrarimalala Marie Michelle, araka ny didim-pitsarana omaly. Vao ny raharaha iray mahasaringotra azy io, dia ny vesatra mikasika fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena na « atteinte à la sureté intérieur de l’Etat » io, fa mbola miandry ireo raharaha hafa. Raha hiverenana, nosamborina ny 9 janoary, ary naiditra am-ponja ny 19 janoary ity Minisitra teo aloha sy depiote voafidy tany Fianarantsoa ity. Ny 23 janoary no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panajakana Rtoa Fanirisoa Ernaivo, fa voarohirohy ho nanao fanodikodinam-bola tao amin’ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny Depiote Marie Michelle Sahondrarimalala no sady Minisitra teo aloha. Anisany heloka hanenjehana azy ihany koa ny fanakaramana olona hanakorontana teto amin’ny firenena. Mbola tratra tao anaty « disque a dur » an’ny solosaina nampiasan’ny depiote Sahondrarimalala ireo resaka nifanaovana na « conversation », ary izay no antony nisamborana olona maromaro izay niray tsikombakomba taminy. Raha ny fikarohana fanampim-baovao, dia miisa 12 ireo miaraka dosie aminy amin’io, izay ahitana mpanolotsaina TGV miisa 2. Samy nahazo sazy mihantona herintaona ireo 12 hafa. Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle raha tsiahivina no nitarika niaraka tamin’i Rinah Rakotomanga ny fidinana an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny 23 oktobra 2025, rehefa niongana i Andry Rajoelina. Samy any am-ponja izy roa ireo ankehitriny ka ny Minisitra teo aloha eny amin’ny Fonjaben’Avaradrano, ary ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines teo aloha any Manjakandriana. Mbola vao dosie iray io ho an-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, fa mbola misy ireo raharaha hafa toy ny tsenambaro-panjakana mikasika dabilion’ny mpianatra mitentina 8 327 387 583,99Ar izay nisiana tsy fahampiana dabilio mitentina 833 236 600Ar. Mbola mifamatotra amin’io ihany koa ny tsenambaro-panjakana hafa mampiahiahy mitentina 85 miliara Ar eo azon’ilay orinasa nampiasaina tamin’ny dabilio ho an’ny 2019 fotsiny, izay mahasaringotra an’i Andry Rajoelina. Taratr’ilay volam-panjakana 4000 miliara nanjavona ho an’ny 2025 fotsiny. Tsy valifaty politika fa ady amin’ny tsimatimanota sy ny mpandroba mba hisitrahan’ny Malagasy ny harenan’ny taniny, hoy ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Fitsarana tany amin’ny volana janoary. Miha milentika…
Toky R

 

Dans la même rubrique

01-oct-2026

anio sy rahampitso

Card image cap
01-oct-2026

Efa miditra amin’ny fanomana

Card image cap
28-sept-2026

Hanomboka ofisialy amin’ity

Card image cap
28-sept-2026

minisitra sy mpisolovava…

Card image cap
28-sept-2026

Hita maso, azo tsapain-tanana

Card image cap
28-sept-2026

Nisitraka fampitaovana maro ny distrikan’Andramasina

Card image cap