hoy ny fanazavàn’ny avy eo anivon’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo renivohitra tetsy Tsaralalana ny alarobia 28 may 2025. Niteraka resabe sy savorovoro izany ka ilàna fanazavàna, hoy ny fanazavàna. Mitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny niharam-boina ny vondron’ny mpamonjy voina eto Antananarivo. Ny fomba fiasan’ny mpamonjy voina rehefa manoloana voina iray ka misy olona lasibatra ao amin’ilay toerana dia ny olona sy ain’olona aloha no zava-dehibe ka atao ny fomba rehetra hahafahan’ilay olona miala ao amin’ilay toerana misy azy. Tsy ny fitaovana na fananan’olona iray no ho ambonin’ny aina. Ny mpamonjy voina na «pompier» rehefa avy manao ny asany ireo kamiao ireo dia manana ireo fantsona famatsian-drano ny «pompier» eto Antananarivo dia ireo «bouche» sy «poteau d’incendie». Miisa hatrany amin’ny 247 ireo eto Antananarivo. Misy ambany ny an’ny sasany ny tosika na «pression», misy mafy. Tsy maintsy fenoina ny siterin’ny vondron’ny mpamonjy voina izay vao afaka mamonjy voina iray. Ny filazàna fa tsy misy rano ny siterin’ny vondron’ny mpamonjy voina dia tsy marina ary tsipahinay marindrano. Efa nanao ny fomba rehetra sy ny herinay rehetra izahay mikasika iny zava-niseho teny Tsarahonenana iny. Nisy miaramilanay aza efa nanao akanjo fiarovana avo lenta fa mbola may ihany rehefa namonjy ireo raiamandreny taraiky tao satria mafy loatra ilay voina. Porofo izany fa nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpamonjy voina. Manamboatra isan’andro ireo fantsona miisa 247 ireo miaraka amin’ny JIRAMA ny sampana manokana mikirakira izany na «cellule hydrant» ary efa mahalany tsianjery ny toerana misy an’ireo. Tsy maintsy manamboatra mba hahafahana manana maromaro amin’izany famatsian-drano izany. Manentana ireo olona any amin’ny toerana tsy misy rano, satria iaraha-mahalala ny tsy fisian-drano eto Antananarivo, dia aoka raha manana fahefàna isika isan-tokantrano mba hanana siniben-drano atao fiandry raha misy tampoka toy ireny ny loza mandra-piandry mpamonjy voina, indrindra ireo mpivaro-kazo. Takiana ny fananan’ireny fivarotan-kazo ireny siniben-drano fiandry, fara-faharatsiny «extincteur» na famonoana afo. Ampy ireo 247 ireo raha mandeha tsara ny rano, miampy ireo loharano sy renirano na farihy be dia be toa an’i Sisaony, Ikopa, Anosy, Masay. An’ny «pompier» ilay siterina niloko volomboasary iny. 16m3 ny tanjany. Tsy omena tsiny ny resaben’ireo olona satria tao anaty fahatairana na «choc» izy ireo. Manana kamiao tsara ny «pompier» eto. Misy 16m3, misy 3m3, 2m3, 1900 litatra. 15mn izahay dia tonga teny an-toerana tamin’iny. Tsy tonga dia namono afo izahay fa tsy maintsy namonjy ny ain’ilay olona aloha. Ny ain’ny olona aloha vao ny fitaovana. Izay no etikan’ny «pompier», hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Na dia hita ho toy ny lasa «fanalàna», araka ny fitenin’ny tanora,
Kaominina miisa 7 ahitana an’Ambatomena, Ibity, Maneva, Ankaromalaza Mifanasoa, Vohitsaoka,
Nanatanteraka ny diaben'ny fahaleovantena niaraka tamin'ireo mpikamban'ny
Mitondra rivo-baovao ny AXCEL COMPANY
Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany
Tontosa omaly tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina na ny Tranoben’ny varotra sy indostria