airtel

Actualités

09-oct-2026

VOVONANA

TANTANA

Sample post image

Hamondrona ny heriny

09-oct-2026

hampandroso an’i Madagasikara
Vonona hampandroso an’i Madagasikara ny Vovonana Tantana, raha araka ny fanazavana azo omaly. Ity vovonana ity raha tsiahivina dia vondron’olom-pirenena mijoro ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Efa nandray anjara tamin’ny tolona sy ny ezaka ho amin’ny fanovana politika teto Madagasikara ireo mpikambana hatramin’izay ary mahalala tsara ireo olana sedrain’ny vahoaka. Ankehitriny, manohana feno ny fitondrana Fanavaozana tarihin’ny Filoha ny Kolonely Michaël Randrianirina izy ireo. Ny fomba fiasanay hoy ny mpitarika azy dia mifototra amin’ny fihainoana ny vahoaka, fandinihana ny zava-misy, fanolorana vahaolana ary fandraisana andraikitra amin’ny fanorenana an’i Madagasikara. Ireo hery velona samihafa mpikambana ao aminy no mifanome tanana amin’izany. Tsiahivina moa fa ahitana ireo tanora mpitolona toy ireo Tanora Gen Z, Tanora avy amin’ny sehatra samihafa, olom-boafidy; olom-pirenena; fikambanana; mpandraharaha, matihanina, ary ireo rehetra vonona handray anjara amin’ny fanorenana ny firenena ao anatin’ny Vovonana Tantana. Samy manana ny traikefany sy ny andraikiny izy ireo, saingy miara-mijoro amin’ny vina iray dia ny handray anjara amin’ny fampandrosoana sy ny Fanavaozana an’i Madagasikara.
Pati
Legende : Tanora avokoa no mandrafitra ny Vovonana Tantana amin’ny ankapobeny !
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap
09-oct-2026

Mpiadina miisa 2.582

Card image cap
08-oct-2026

Novahan’ny Fanjakana ny

Card image cap