distrikan’i Sambava hatramin’ny omaly Alahady 11 Aogositra ilay zazavavy kely menavava tombanana ho iray volana mahery nisy nanary tany an-toerana afak’omaly Sabotsy 10 Aogositra tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpandalo tao amin’io tanana io no naheno feon-javatra, toa zaza mitomany. Ny andro anefa mbola maizina, ka samy nikoropaka izy ireo sao sanatria lolo vokatra izany. Na izany aza niara-nandeha nijery ilay toerana nandrenesana ny feo ihany izy ireo. Akory ny hatairany taorian’izany fa tena zazakely mitomany mitady nono mafy amin-dReniny tokoa ilay ren’izy ireo ka nampandrenesiny vy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Noraisin’ny Fokontany ao an-toerana moa ilay zaza ary fantatra fa salama tsara tsy misy ahiana ny toe-pahasalamany. Tsiahivina fa somary nahazo vahana indray ny fanariana zaza menavava teto amintsika tato anatin’ny tapa-bolana izao. Zazavavy kely avokoa ny ankamaroan’izy ireny ary sendra olona tsara sitrapo avokoa.
Nangonin’i Pati
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny