amin’ny datin’ny 18 Jona ho avy izao no fantatra fa voatery nadoboka am-ponja vonjimaika ny Alarobia 05 Jona lasa teo rehefa voampanga ho namaky dobon’olona feno trondro. Tany amin’ny distrikan’Antalaha no nisehoan’izany tantara izany tamin’ny herinandro . Raha ny vaovao azo dia tsy nanaiky ilay mpitory ary nanizingizina fa ity zazalahy kely ity no namaky ilay dobony. Mitsipaka izany marindrano kosa anefa ny Ray aman-dRenin’ilay voapanga saingy tsy nety fa tsy maintsy natolotra ny Fitsarana ny raharaha. Ranomaso tsy nisy toy izany raha ny vaovao azo no nentin’ilay zaza niditra ny fonja nisaraka tamin’ireo Ray aman-dReniny sy ireo mpiara-mianatra taminy izay fantatra fa tonga nanotrona azy hatramin’ny farany.
Nangonin’i Pati
Legende : Halatra trondro no nampidirana ilay mpiadina hiatrika ny CEPE any am-ponja !
Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
Nodimandry ny sabotsy teo, tamin’ny 12 ora atoandro, tao amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha
Miditra amina drafi-panarenana indray ny Jirama manomboka amin'ity taona 2025 ity ka hatramin'ny 2028.
Andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena ny 26 jona,
Raha tontolon’ny fiompiana, fikarakaràna, fampiadiana akoho dia sahinay ny miteny,