airtel

Any Ivelany

21-févr-2025

Any Ivelany

Antoko politika Maeva «Raha mbola izao dia hisy koa ny hiala hanaraka ny FES!»

Sample post image

Ny fivoahana na tsy fivoahana amin’ny olana rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena dia miankina amin’ny

21-févr-2025

 

mpitondra ihany, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona. Raha tena manaiky ny mpitondra, hoy ny filohan’izy ireo, Mamy Raharimanana, hamaha ny olana rehetra ifotony misy eto Madagasikara amin’ny fahavononana, fandavan-tena, fanetren-tena, fitiavan-tanindrazana dia inoana fa mbola tsy tara isika izao. Matoa, hoy izy, miseho avokoa ny fialàn’ireny antsointsika hoe mpiara-miombon’antoka avy any ivelany amin’ny sehatra maro, indrindra, ny sosialy dia misy dikany. Misy dikany matoa nandeha ny USAID sy FES. Fantatr’ireny mpiara-miombon’antoka niala teto ireny ny tsy fetezan’ny zavatra rehetra eto amin’ity firenena ity, indrindra, ny fitantanana na «gouvernance». Sao dia ambom-po diso toerana ny fiziriziriana amin’ny hevitra iray? Raha mbola izao dia hisy koa ny hiala hanaraka ny FES! Aiza ho aiza ny fitondràm-panjakàna amin’izao? Aza miseho mahavita tena tompoko fa ny fanjakàna dia tena sahirana. Mahantra ny fanjakàna malagasy. Tsy hahavita hampiova ny toe-draharaha eto amin’ity firenena ity akory na amin’ny resaka lafiny fampandrosoana. Misy dikany matoa ny Maeva niteny hoe andao hifampiresaka. Ho latsaka an-katerena tena any amin’ny lalindalina kokoa ny firenena malagasy raha izao no mbola hitohy. Anatin’ny vanin’andron’ny fahavaratra isika izao. Tsy mitsahatra milatsaka ny orana. Toerana aiza izao no tsy safo-drano? Ahoana ny vahaolana amin’ireny? Efa nomanina mialoha ve? Ny politika eto mbola tsy tena milamina. Inona no antony tsy tokony hifampihaonantsika? Ny tsy fahamarinan-toerana na «illégitimité» an’izao fitondràna izao no mahatonga izao fahasahiranana izao satria tsy misy ny fitoniana na «stabilité». Na olona tokony hanohana 100% aza ataony resaka anarana na «symbolique» fotsiny no hanohanany amin’ilay resaka fiaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta. Raha isika mpanao politika sy herivelona rehetra no manana fahavononana dia hisy zavatra hiova kokoa. Mbola tsy tara isika raha hanova ny fomba fanaovana politika eto amin’ny tany sy ny fanjakàna. Manodidina ny 2000 miliara Ariary ny resaka famotsiam-bola, hoy ny SAMIFIN. Ahoana no tsy nahafantarana izany mialoha? Mbola mety misy zavatra hafa any ambadika any hamotsiam-bola amin’ny lafiny maro. Iza no tsy nahita ny resaka rongony tany Toamasina tamin’ny fotoan’androny? Ireo resaka trano mijoalajoala sy fiara mandeha etsy sy eroa, amina fiantsonana iray efa misy fiara aman-jatony nefa hoe sahirana ny malagasy. Mandeha amin’ny ara-dalàna daholo ve ireny zavatra mitsangana sy miodina ireny ankoatran’ny harem-pirenena mivoaka an-tsokosoko? Ny any ivelany mbola tsy araky ny SAMIFIN. Hatraiza izany ny fahefana hifehezan’ity fitondràna ity ny lafiny fitantanana amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ny Maeva?
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Niparitaka manerana an'izao tontolo izao ny horonatsary ahitana ny filoha frantsay

Card image cap