airtel

Any Ivelany

25-mars-2024

Asa fampihirohoroana tany Rosia

Tafakatra 137 ny maty, 150 ny naratra

Sample post image

Nisehoana asa fampihorohoroana goavana tany Moscou renivohitra Rosianina ny zoma lasa teo.

25-mars-2024

Notafihin’ny mpampihorohoro ny toeram-pilanonana lehibe, ary nisy firehetana goavana. Tafakatra 137 ny olona namoy ny ainy, ary 150 ny naratra, raha ny tatitra hatramin’ny omaly alahady. Io ny asa fampihorohoroana nahery vaika sy nahafatesana olona betsaka indrindra tany Russie tao anatin’ny 20 taona. Ny Vondron’ny Fanjakana Islamika no nitonona ho tompon’antoka, raha toa ka miampanga mafy an’I Ukraine ho ao ambadik’izao kosa ny Fanjakana Rosianina tarihin’ny Filohany Vladimir Poutine, izay vao avy voafidy ho Filoham-pirenena tamin’ny isam-bato 87% teo ho eo. Tafakatra 11 kosa ireo voasambotra tamin’izany. Misy dikany lehibe eo amin’ny tontolo ara-jeopolitika maneran-tany, ary misy mandika ho efa famelezana sy fipoahana ao Rosia avy ao anatiny. Anisan’ny nandefa taratasy fiaraha-miory manoloana io moa ny Fanjakana Malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Nambara fa miray fo amin’I Rosia I Madagasikara, ary manameloka tanteraka ny zava-nitranga, izay nosokajiana ho asa fampihorohoroana namelezana ny sivily tsy manan-tsiny, ka heloka bevava ambodiomby manitsakitsaka sy manohintohina ny filaminana sy ny fandriampahalemana iraisam-pirenena. Nilaza mihitsy moa Atoa Andry Rajoelina tao anatin’ny tambajotra Tweeter, fa miombom-po sy mivavaka ho an’I Rosia. Naneho ny fanamafisana ny firaisankinan’I Madagasikara sy Rosia tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham- bahiny. Tao anatin’ny taratasin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ihany koa dia notsipihina ny finiavan’I Madagasikara hitondra anjara biriky eo amin’ny ezaka iraisam-pirenena mikendry ny hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra. Zava-dehibe izany ary tena mafonja tokoa ny fanambarana, fa ny hirariana dia ho tahaka izany ihany koa amin’ny fijoroana tena hitondra fampandrosoana sy hiady amin’ny fahantrana.
Toky R

 

Dans la même rubrique