airtel

Any Ivelany

25-oct-2022

Any Ivelany

Banky Iraisam-pirenena « Tsy mamatsy ara-bola ny tetikasa MIAMI izahay… »

Sample post image

Nanamafy ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy mandray anjara amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa MIAMI atao ao Toliarana na koa amin’ny faritra hafa. Momba ny tetikasa PIC (Pôle Intégrée de Croissance)

25-oct-2022

izay miompana amin’ny tontolon’ny fizahantany kosa, mieritreritra hamatsy fanajariana toerana an-tanàn-dehiba miisa roa ny Banky Iraisam-pirenena dia ny Corniche any Antsiranana syy ny Waterfront any Toliara, ary nomarihiny fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny tetikasa MIAMI an’ny governemanta. Na izany aza, naneho fa miara-miasa akaiky amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ny Banky iraisam-pirenena sy ny tetikasa PIC amin’ireo tetikasam-panajariana izay misy hidirany. Somary hafahafa ihany ity fanambarana sy fanazavana entin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Tsy tongatonga ho azy, ka mampametra-panontaniana hoe: nisy fisandohana na fampiasana ny anarany tamin’ny tetikasa MIAMI ve? Sa kosa tsy resy lahatra amin’izany, ary miezaka manavaka tsara fa ny tetikasa PIC izay tohanan’izy ireo dia misy tanjona fa tsy politikan’ny maso sy ny haitraitra fotsiny? Ho avy ny fampahafantarana ofisialy ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay inoana fa hanehoana tetikasa sy makety samihafa indray. Isan’ny hitondra anjara biriky amin’ny fanatanterahana izany ve ny Banky Iraisam-pirenena sa ho mpitazatazana eny an-tsisin-tosy fotsiny? Sa holazaina fa anatin’ny PEM daholo ny tetikasa rehetra mandeha aorian’io? Hanohana ny PEM ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) sa hialany ilany tahaka ny efa nataony tamin’ny 15 febroary 2021 io PEM io ka nilazan’ny Praiminisitra avy eo fa ny PMDU (Plan multisectoriel d’urgence) aloha no ampiharina hatramin’ny jona 2021, ary mitohy amin’ny PEM avy eo. Ilay PEM anefa io vao hampahafantarina io indray. Midika izany fa tsy nisy fitantanana tena nirindra, ary tsy atao mahagaga raha nitsefotra ny tetikasa sy progarama maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique