firenenay izy, hoy ny filoha Rwandais Paul Kagame nandritra ny fivoriana iombonan'ireo firenena avy ao atsinanan'i Afrika (EAC) sy ny SADC tany Dar es Salaam Tanzania ny zoma lasa teo.. Izay izany ny valin-kafatra manoloana ny filazana fa hoe manohana ny mpiokp M23 izay mifandona amin'ny tafika ara-dalàna any RDC i Rwanda. Miha mahazo vahana sy manomboka mifehy faritra any RDC moa ny M23 nanomboka ny volana janoary teo ary ahiana mihitsy ny ahatafidirany any an-drenivohitra. Efa ela ihany izahay no niangavy an'i RDC mba handamina io olana io fa tsy nihaino anay ry zareo hoy i Kagame. Efa tena adim-poko anefa io mitranga io, hoy izy. Mila hajaina ny zon'ireo mponina ireo, hoy izy. Tena i RDC no nanapoaka ny ady fa tsy Rwanda, hoy i Paul Kagame. Mazava ny resaka izany eto fa misy olana izany eo amin'ny mpitondra Congolais sy Rwandais. Ny any RDC milaza fa manampy ny mpiokon'ny M23 i Rwanda, ity farany nanambara fa mila hajaina ny zon'ireo mponina. Tsy misy porofo mazava anefa hoe manampy marina ny M23 i Rwanda na dia efa izany aza no malaza erak'i Afrika. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia firenena goavambe i RDC saingy mbola sahirana ara-toekarena ary reraky my karazana ady an-trano kely etsy sy eroa efa ho 30 taona izao. Firenena kelikely kosa i Rwanda saingy tena matanjaka ara-toekarena sy ara-tafika. Firenena niainanadim-pokonsy ady an-trano goavana indrindra taty Afrika, firenena tena mpiady. Tsapa ihany koa fa te hametraka ny maha firenena goavana azy aty Afrika i Rwanda tarihin'i Paul Kagame ka tsy hilefitra mora foana amina fanambarana na fampitandremana Raha ireo firenena ao anatin'ny EAC sy SADC nivory farany teo aloha dia hita ho sahirana ihany handamina io fifandirana eo amin'i RDC sy Rwanda io, izay miray sisin-tany miaraka amin'i Burundi sy Ouganda ary Zambie. Tsy lavitra eo ihany koa i Tanzanie. Ka raha sanatria miha mafy ny fifandirana ka raikitra ny ady dia hampikprontana tanteraka ny faritry ny "grands lacs" sy ny atsinanan'i Afrika io. I Madagasikara moa izao no mitantana ny vondrona SADC ka asa izay fandaminana ara-diplaomatika ho ataon'ny mpitondra malagasy fa dia efa mafana ny toe-draharaha aloha.
RTT
Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 mey 2025 eto Madagasikara ny « Herinandron’i Eoropa »,