Nitotongana an’arivony tapitrisa dolara tao anatin’ny fotoana fohy ny harenan'i Elon Musk, ilay mpanefoefo Amerikanina, mitana ny laharana voalohany eran-tany. Nandritra ny volana Jolay sy Aogositra 2026, nisy fianjerana goavana nahazo ny harenan’i Elon Musk, ka nihena hatramin’ny mihoatra ny 363 miliara dolara tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Ny antony lehibe dia mifandray amin’ny fihenan’ny sandan’ny SpaceX sy Tesla, ary koa ny tsy fahombiazan’ny fanandramana ny Starship. Taorian’ny fidiran’ny SpaceX tao amin’ny bourse tamin’ny volana Jona, niakatra be ny sandany ka nahatonga ny harenan’i Musk hihoatra hatrany amin'ny 1330 miliara dolara, izay izy no mpanefoefo voalohany nihoatra ny 1000 miliara dolara. Tsy ela dia nidina tampoka izany rehefa tsy nahomby ny sidina fitsapana ny sambondanitra Starship tamin’ny 16 Jolay, ka very 45 miliara dolara i Musk. Tao amin’ny Tesla indray, nidina 26% ny sandan’ny tahiry tao anatin’ny enim-bolana, ary ny 23 Jolay dia nisy fihenana -14% tao anatin’ny andro iray monja, ka very 18 miliara dolara fanampiny. Antony ny vokatra ara-bola tsy nahafa-po sy ny fandaniana goavana amin’ny tetikasa robotaxi sy Optimus, izay mbola tsy nahitana vokatra azo tsapain-tanana. Nanambara i Musk fa ny hareny dia mifototra amin’ny tahiry ao amin’ny Tesla sy SpaceX, ary latsaky ny 0,1% ihany no vola mivantana eo am-pelatanany, ka mahatonga azy ho mora voa amin’ny fiovaovan’ny tsena. Ankehitriny, tombanana ho manodidina ny 684 miliara dolara ny harenan’i Musk, izay mbola mametraka azy ho olona manankarena indrindra eto an-tany, saingy mampiseho mazava ny loza mitatao amin’ny fianteherana tanteraka amin’ny tsena sy ny fahombiazan’ny tetikasa ara-teknolojia. Raha mbola mitohy ny fihenan’ny SpaceX sy Tesla, indrindra raha midina ambanin’ny 100 dolara ny sandan’ny SpaceX, dia mety ho very hitombo ny fititonganana. Ny fanerena amin’ny Tesla sy ny fandaniana goavana amin’ny AI (Arficial Intelligency) dia mbola mampanahy ihany koa, ka manery an’i Musk hanaporofo haingana ny fahombiazan’ireo tetikasa vaovao. Anisan'ny mampihatra ilay lalan-tsain'ny mpahaitoekarena dia ny "l'investissement crée la richesse" na ny hoe: "ny fampiam-bola dia mamorona harena i Elon Musk, ary tsy mitsitsy vola na midofotra aza ny tetikasa sasany an-jatony miliara dolara. Raha alaina sary an-tsaina kely, eo amin'ny 5 miliara dolara isan-taona eo ny tetibola hampiodinana ny Fanjakana Malagasy sy ny Firenena, izany hoe hahafahana mampiodina an'i Madagasikara anatin'ny 137 taona izany ny harenan'i Elon Musk 684 miliara dolara ankehitriny.
Toky R