tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Any Ivelany

KOREA AVARATRA EFA MIOMANA AMIN’NY ADY

Nampahafantatra ny firenen’i Korea avaratra fa hanitatra sy hanamafy ny hetsika ara-tafik’izy ireo.

08-févr-2023

Sample post image

Efa miomana amin’ny ady mety hitranga manoloana ny fihetsiketsehana ana habakabaka nataon’ny tafik’i Korea atsimo sy Etazonia farany teo izy io rehefa tapaka nandritry ny fivoriana notarihin’ny filoham-pirenena koreanina tavaratra Kim Jong Un, hoy ny fampitam-baovao voaray.

TAKAITRAN’NY HOROHORON-TANY TAO TORKIA
FILAHARAM-BE NY TOERANA FANOMEZAN-DRA
Raha mbola manohy ny fikarohana ireo lasibatra mbola tsy hita vokatry ny horohoron-tany ao an-toerana ireo mpamonjy voina dia ilaharam-be kosa ny toby fanomezan-dra ao Torkia omaly. Naneho firaisankina tanteraka ireo vahoaka tiorka ho voin-kava mahatratra amin’ireo mpiray tanindrazana. Raha ny vaovao vonjimaika voaray omaly atoandro moa dia maherin’ny 5000 isa ireo nindaosin’ny fahafatesana vokatr’ity loza nitranga tany an-toerana ity ary saika voa mafy ireo toera-manan-tantara sy kanto ao an-toerana.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

Voir plus