Nisy ny hetsika niraisana tany Frantsa noho izany, ka ka nitarika ny delegasionina ny Masoivohon'i Madagasikara ao Frantsa Atoa Olivier Hugues Rija Rajohnson, nisolotena an'i Madagasikara tamin'ny fahatsiarovana ireo miaramila malagasy maty niady ho an'ny Fahafahana. Teratany Malagasy miisa 45 000 no tonga tonga tao Frantsa nandritra ny ady lehibe voalohany (1914-1918) mba hiady ho an'ny fahafahana. Maherin'ny 4 000 tamin'izy ireo anefa no lavo nandritra izany ary 10 000 eo ho eo no tsy tafaverina tany an-tanindrazana intsony. Ny tsangambato izay natao tamin'ny taona 1920 no hany sisa fahatsiarovana azy ireo ao Frantsa. Nanome voninahitra sy nilanja ny sainam-pirenentsika nandritra io fotoana io moa ireo tanora skoto avy amin’ny Tily eto Madagasikara Faritany Frantsa.
Toky R
Niparitaka manerana an'izao tontolo izao ny horonatsary ahitana ny filoha frantsay