indray eo amin’ny fitantanana an’i Etazonia. Filoham-pirenena isan’ny sarotiny mafy amin’ny fiarovany ny taniny, fametrahany ho lohalaharana ny Amerikanina amin’ny alalan’ilay hoe : « America firt once again » amin’io izy tafaverina amin’ny Fitondrana io. Mafotaka ny fandroahana ireo hafa firenena tsy mazava ara-taratasy any any Etazonia amin’izao fotoana izao, isan’ny fanapahan-kevitra voalohany ny 21 janoary teo, taorian’ny fianianany. Tafakatra 1 455 549 ireo hafa Firenena andiany voalohany tratry ny fandroahana hiala any Etazonia. Manodidina ny 40000 mahery ny Afrikanina avy amin’ny firenena 54, misy teratany Malagasy miisa 5 ao anatin’ireo, saingy tsy mbola misy aloha ny tatitra mazava mikasika ny mombamomba azy ireo. Henjana ary tsy mitsitsy ny governemanta Trump ao anatin’io didim-panjakana mikasika ireo mpifindra monina io, ary tena manome lesona ny mpitondra sy ny vahoaka Afrikanina. « Notahian'Andriamanitra ny firenenareo. Noho izany, miverena any amin'ny taninareo, ary takio amin'ireo mpitondra anareo izay mpanao kolikoly ny zonareo…», hoy i Donald Trump. Raha tianareo, hoy io Filoha Amerikanina io, dia tohizo foana ny politikanareo feno fanavakavaham-poko ao anatin'ny fijaliana, nefa ireo mpitondra anareo etsy andaniny, mangalatra sy manondrana ny haren'ny taninareo. Amerika dia natao ho an'ny Amerikana ; fa tsy an'ny karana, na nizeriana, na sinoa, na meksikana, na ho an'iza na iza te hanana fiainana tsara ka mieritreritra ny hitsoaka aty Etazonia. Fa niady mafy izahay tamin'ny fotoan'androny mba hahazoanay ny fahafahana sy ny fandrosoana. Fa ianareo, mitomoera mangina foana, dia andraso eo ny anjely hanamboatra ny làlana ratsy any aminareo. Eny, mitomoera foana toy ny moana, na dia efa hitanareo aza fa mangalatra amina miliara ny minisitrareo, ny governoranareo, ny kaomiseranareo, ... Miverena any amin'ny taninareo, dia mamadia pejy. Aza mihazakazaka ho aty Amerika intsony, miaraka amin'ny vadinareo efa bevohoka be. Tianareo ho teraka aty Amerika izy mba hahazoany zom-pirenena amerikana, hoy hatrany i Donald Trump. Ity Filoham-pirenena Amerikanina ity izay mahavita manohitra ny Mpitondra Afrikanina na ny vahoaka ho toy ny biby eo anatrehan’ny hoe : miaina eo ambonin’ny harena tsy hita noanoa, kanefa mahantra fadiranovana ny vahoaka ka mbola azo lazaina ho olombelona ve izany ?
Toky R