Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra omaly talata 03 novambra 2026 ny fampitana am-bava momba ny tetikasa Teleferikan’Antananarivo (TPC) ny fangatahana fanafoanana trosa sy ny sara izay mifandraika amain’izany, ary ny ambim-bola tsy nampiasaina tamin’ny fampindramam-bola niaraka tamin’ny Société Générale sy ny BPI France. Midika fa mbola anisan’ny olana lehibe sedrain’ny tetikasa Teleferika eto Antananarivo ny adidy ara-bola nateraky ny trosa sy ny fandaniana mifandraika amin’ny fanatanterahana azy. Ankoatra izay, mety hitodika any amin’ny sehatra tsy miankina ny Governemanta mba hiantohana ny famelomana indray sy ny fitantanana ny Teleferika, izay tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Tafiditra ao anatin’ny safidy dinihina ny rafitra « concession », izay ahafahan’ny mpandraharaha tsy miankina miantoka ny fanarenana sy ny fampandehanana ny fotodrafitrasa, ka mandoa sara amin’ny Fanjakana ho takalon’izany. Mbola misy anefa ireo sakana ara-teknika mila vahana, indrindra ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba sy ny olana amin’ny famatsiana herinaratra. Tsiahibina fa nahatratra 152 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nokasaina ho an’ny Teleferika. Nahatratra 92,19 tapitrisa euros kosa ny sandan’ny tsenan’asa voalohany ho an’ny zotra Orange na volomboasary, ary nisy fiakarana fanampiny 18,92 tapitrisa euros teo amin’ny vidiny. Amin’ireo zotra roa nokasaina hatsangana dia ny zotra Orange mampitohy an’Anosy sy Ivandry ihany no tena vita. Mbola misy fampindramam-bola tsy maintsy averina, ka hatramin’ny taona 2034 no voatondro ho fe-potoana farany amin’ny famerenam-bola. Etsy ankilany, mbola mila vola fanampiny ny fanarenana ireo fotodrafitrasa, indrindra ireo tobim-piantsonana niharan’ny fahasimbana sy nandritra ny hetsika tamin’ny septambra 2025. Ankoatra izany, mbola olana lehibe ny famatsiana herinaratra, satria tsy maintsy misy loharanon’angovo azo antoka sy maharitra ahafahana mampandeha ny rafitra manontolo. Natao hitaterana mpandeha hatramin’ny 40 000 isan’andro ireo « cabines » manodidina ny 100, saingy mbola tsy afaka nampiseho izany fahafaha-manao izany ny fotodrafitrasa. Tsiahivina fa efa nangataka tamin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michaël Randrianirina, nandritra ny fihaonan’izy ireo tany Paris tamin’ny Febroary 2026, ny hanafoanana ny trosa mifandraika amin’ny fananganana ny Teleferika, izay trosa sy tsy fahaiza-mitantana navelan’ny Fanjakana Rajoelina, izay vesatra lanjain’ny Fanjakana ankehitriny.
Toky R