airtel

Any Ivelany

12-déc-2023

ZANAK’AMBOHIDRATRIMO MAROVATANA

Nitohy tao Ampanataovana ny asa sosialy

Sample post image

Mitohy ny asa sosialy tanterahin’ny Zanak’Ambohidratrimo Marovatana na ny ZAM ka ny

12-déc-2023

Fokontany Ampanataovana indray no nahazo fanampiana maro isan-karazany ny faran’ny herinandro teo. Nahazo rano fisotro madio ny fokonolona, ary nomena masomboly ireo mpamboly, ny mpianatry ny EPP avy amin’ny fianakaviana sahirana nahazo tohana ara-bola ary ny mpanao fanatanjahan-tena nomena baolina kitra. Mpianatra kilasy T4 ao amin’ny EPP Ampanataovana Ny Avo, zazavavikely kamboty ray ary marary saina ny reniny, ka dia ny renibeny no mitaiza azy sy i Nasandratra zokiny. Tsy manam-bola hanefana ny vola fisoratana anarana ny renibeny izay sahirana ka saika hajanona amin’ny fianarana i Ny Avokely. Nankasitraka feno an’i Rabary Hery Filohan’ny ZAM tena mitsinjo ny madinika sy ny sahirana ny reniben’Ny Avo izay manano-tena noho izany fanampiana azony izao. Ankoatry ny ankizy mpianatra dia nahazo tombotsoa lehibe ny fokonolona ary notolorana rano fisotro madio. Amin’ny maha mpanao fanatanjahan-tena an’i Rabary Hery Filohan’ny ZAM kosa no nanampiany ireo mpanao baolina ka nanolorany fitaovana ny Klioba tsirairay ao Ampanataovana. Koa satria fotoam-pambolena isika izao dia notolorana masomboly koa ireo tantsaha rehetra Mbola hitohy any amin’ireo Fokontany valo hafa ao anatin’ny Kaominina Ambohidratrimo ny asa sosialin’ny ZAM.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny ZAM !
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Niparitaka manerana an'izao tontolo izao ny horonatsary ahitana ny filoha frantsay

Card image cap