airtel

Edito

27-mars-2023

Edito

Ahodina hatrany

Sample post image

Mandeha ankehitriny ny tolon-drizareo frantsay ho fanoherana ny fanemorana ny taonan-dretirety. Hatramin’ny kilonga kely mbola any amin’ny kilasy ambany na ilay antsoina hoe CM,

27-mars-2023

miara-mitolona amin’ny dada sy neny eny an-dalambe ary tena mahavita maneho ny heviny amin’ny haino aman-jery mihitsy ary azony tsara fa hoaviny no hitolomany miaraka amin’ireo ray aman-dreniny. Tsy misy bedy izany any amin’ny firenena tena demokratika ary malala-tsaina ny mpitondra any an-toerana na dia toherina aza ka mahavatra mandinika hoe tsy tolona politika io fa tena mahakasika tanteraka ny sosialin’ireo mponina ao an-toerana. Dia samy mamisavisa sy mampitaha an’izany amin’ny zava-misy eto isika rehetra. Averina hatrany na dia efa andro maromaro aza no lasa hoe ny vehivavy hanamarika ny androny aza teto nisy voasakana satria tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana misy. Ny antsasa-manila maherin’ny mponina eto tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ny an’olona anefa zazavavy kely mbola 8 taona dia efa mazava ery ny fanazavany ny loza mety ateraky ny atao hoe fanemorana ny taona handehanana retirety eo amin’ny fiainany rahatrizay izy lehibe, raha toa ka tsy sorohana dieny izao. Ahodina hatrany ny resaka eto tanàna dia mbola samy rendrika daholo ny ankamaroantsika mianakavy satria mbola valalabemandry. Iny izao dia nororitin’ireo tomponandraiki-panjakana indray ny resaka fanamiana volomboasary dia nangingiana ny resaka depiote tsy navela niakatra fiaramanidina. Naiditra am-ponja vonjimaika ny talen’ny famoahana gazety mivoaka isan’andro iray izay efa nampametra-panontaniana ny maro efa ela hoe fa naninona tsy sahy nenjehina hatramin’izay nefa gazety mamoaka resaka tsotsotra hafa aza matetika voahelingelina? Sa mbola isan’ny fanakonan-javatra akaiky fifidianana koa izao zava-misy izao? Mizana tsindrian’ila foana no anarany na tiana na tsy tiana. Na resaka hetsika politika hoe ny sasany avela malalaka dia ny sasany sakanana io na resaka tsy fitoviana eo amin’ny fanaovana antsojay na mba fanampiana ireo mpandraharaha dia samy ao anatiny daholo izany saingy ny hita hatreto moa dia mbola resaka ahodina hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap