airtel

Edito

23-oct-2026

Aleo miverina!

Samy manaiky ny mpanara-baovao,

Sample post image

mpisehatra politika, izay mila

23-oct-2026

fikaonandoha hivoahan’izao firenena izao tanteraka anaty krizy fa tsy nifanaraka tamin’ny tetiandro novinaniana tany am-boalohany ankehitriny ny fanatontosàna ilay fikaonandoham-pirenena. Na ireo rafitra heverina ho tokony tompon’antoka voalohany amin’ny fikarakaràna azy ity aza miaiky izany. Miodina amin’ny hoe aiza ihany izy ity foana ny fanontaniana mipetraka? Efa mandeha sa tsia? Inona no mampikatso? Ny trafika sy afera maizina samihafa aloha izany hatreto no hita mandeha. Tao ny tra-tehaka fa tao koa ny nidilan’ny laka nitàna, hoy ny fitenenana. Io mbola mafàna io ny raharaha famarinana olombelona sy ireo sinoa miisa 11 sy ny tariny mifandraika amin’izany. Mandeha ny mandeha, hoy ilay filaza azy, ary na ny tomponandraikitra voalohany eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao aza dia milaza ho miahiahy ny hoe tsy hay intsony izay volamena sy vatosoa mivoaka sy miditra ao Nosy be ao amin’izao fotoana izao. Iza tokoa moa no tsy ho menatra manoloana izao fahantran’ny malagasy sy ny fahantran’ny firenena izao? Ireo mihevitra ny tenany ho tsy malagasy intsony angamba no tsy menatra an’izany na koa ireo azo antsoina mihitsy hoe tsy tia tanindrazana. Raha nahatsiaro ho lany fotoana nandia lalan-diso anefa dia heverina fa aleo tokoa tsy mirotoroto manohy izay lalan-diso izay fa aleo miverina, hoy ny fahendrena malagasy, mba tsy hitombo izay fotoana lany izay! Amin’ny lafiny fitaterana anefa angamba no fiteny ny hoe aleo miverin-dalana fa amin’ny sehatra hafa kosa dia ny hoe aleo miverina mandinika na midinika mihitsy no fiteny!
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

fanaovana politika eto amintsika ny

Card image cap