fifaminganana, izay lafin-javatra iray mamparefo ny fitondrana raha ao anaty Fanjakana no isiany. Efa betsaka ny endrika nisehoan’izany teto. Mety miseho ihany koa izany ankehitriny matoa namaky bantsilana ny Filoham-panjakana fa misy te hanongana sy hamingana azy amin’ireo manodidina azy. Tsy azo hamaivanina izany, ary manana ny loharanom-baovaony manokana izy matoa miteny an’ireny, fa ny tsy azo lavina izany dia misy te hisompatra. Na izany aza, tsy azo lavina ihany koa ny mety fisiana tetika maloto manimba ny fitondrana, dia ny mety ho fiezahana hampiady na hamafy ahiahy mba hahatonga ny Filoham-panjakana hiahiahy ny mpiara-miasa aminy. Ekena fa mety misy ny alaim-panahy, mety mangetaheta fahefana,… fa fahita ihany koa ny fikotrehana « isolation de palais » na karazana fananganana efitra, tetika ezahana hanidy sy hifehy ataon’ny olom-bitsy amin’ny filoha iray ohatra, mba hahafahana mifehy azy, mba hampiadiana azy amin’ny manodidina asy ny mpiara-miasa aminy, mba tsy hifandray na hisy elanelana lalina, mba tsy hitoky afatsy amin’ny olom-bitsy miezaka manasa atidoha azy,... Zavatra mety hitranga amin’ny politika izany, ka tsy atao mahagaga raha misy ny mety miezaka mamboly ahiahy izay mety ho noho ny kajikajy na tombotsoa manokana. Tranga efa fahita tamin’ny fitondrana teo aloha ny fisian’ny efitra teo amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra ohatra, ny aloky ny mpandraharaha goavana iray,… Sanatria mbola misy te hamboly tranga tahaka izany ka ezahana atao ny mampifandrafy ny Filoha amin’ireo manodidina azy ? Mihevitra ve ireo mety manana tetika maloto ara-politika ny amin’izany fa hihinana am-bolony ny Filoham-panjakana ?
Toky R