vahoaka sy ny entina amin’ny ankampobeny raha tarafina amin’ny elanelana ara-toekarena sy ara-tsaranga misy. Marina sy tsy azo hodian-tsy hita ny fiezahan’ny Fanjakana haneho fa miasa sy tena mijery ny tombotsoam-bahoaka, midina ifotony etsy sy eroa, mampiseho fa mamaha ireo olana ara-tsosialy,… saingy mbola betsaka ny sary maneho fa lalina loatra ny lavaka sy hantsana manasaraka. Miharihary fa tsy mora ny fanarenana sy ny fanavaozana, betsaka ny sedra tsy maintsy lalovana, maro ny paikady mila apetraka,… Tsy vitan’ny kobaka am-bava toy ny nataon’ny teo aloha, fa tena mila fahaiza-manao, mila politika ara-toekarena sy sosialy fa indrindra paikady ara-pitantanana mahomby sy azo refesina. Na tiana na tsy tiana, sarotra ny manarina ny lavaky ny fahapotehana : toekarena, toe-tsaina, fanabeazana,… mety vao tsy ela, fa misy ny efa aretina nikiky sy nanova an-jato taonany. Tsy midika anefa fa hanilika lava amin’ny teo aloha, na hanameloka lava ny lasa,… fa mila maka lesona amin’ireny. Tena mila manova amin’ny lafiny maro miainga avy any an-tampony ka hatraty ifotony. Tena mila fitiavan-tanindrazana fa tsy fitiavan-tseza, fitiavam-bola,… ka hifampitsetsitra lava eto. Mila fanamboarana sy fanovana tanteraka, fa tsy hifanao fanjakam-boalavo hifampikepka ny azony lava eto. Misy mantsy ny rafitra sasany toa zary lasa mampametra-panontaniana ny antom-pisiany hoe : mbola tena ao amin’ny ilàna azy sa tokony ravana sy amboarina tanteraka ? Ho rafitra famenoana paosy sa mba hiady ho an’ny Malagasy, fa ny zava-misy aloha toa mampitombo ny antsana sy ny elanelana efa misy eo amin’Ambalambahoaka sy Ambohikobaka. Isaky ny propangandy ihany vao masin-teny amin’ny mpanao politika ny vahoaka mampahatsiahy ny tenin’ilay zokibe mpanakanto iray hoe : isaky ny propagandy ihany vao masin-teny amin’ny mpanao politika ny vahoaka. Nanana haingam-panahy sy andininy miova foana arakaraka ny toe-draharaha fa asa na tsy niakatra intsony ny aingam-panahy sy ny « méditation » ?
Toky R