airtel

Edito

17-sept-2026

Mianatra!

Samy mila mianatra

Sample post image

mizotra mankany amin’ny antsoina

17-sept-2026

hoe fanovàna, fiovàna, fanavaozana, indrindra, fandrosoana sy fampandrosoana amin’izao fotoana izao ny vahoaka malagasy manontolo. Heverina fa dingana tsy maintsy izoran’ny rehetra izany, na mpitondra sy manam-pahefàna eto amin’ity firenena ity izy na olompirenena amin’ny sehatra samihafa misy azy avy. Mazava fa tsy nisy nahay izany rehetra izany teto, raha politika sy fiainam-pirenena no resaka, matoa tsy nanavanana teto mihitsy ny fiainana izany rehetra izany. Tsotra sy mazava be toy izay mihitsy angamba no azo hanazavàna azy. Tsy misy afaka ny hirehareha aloha hatreto tamin’ny androny no tena nandroso ity firenena ity satria rehefa iverenana ny tantaram-pirenena nitety vanimpotoana teto dia tsy nitsaha-nitotongana ny sosialy sy toekarenan’ity firenena ity hatramin’izay nanomezana azy ny antsoina hoe repoblika izay. Iaraha-mahita io ny adihevitra sy tsikera samihafa miantefa amin’ny fitondràna ankehitriny fa tsy ambanin’izany koa nefa ny tranga azo tsiahivina marobe ahafahana milaza fa ny vanim-potoam-pitondràna namotika indrindra an’ity firenena ity dia ny teo anelanelan’ny taona 2009 hatramin’ny 2025. Nahagaga tokoa fa dia nahita ny tsy fahita tao anatin’izay ny vahoaka maro an’isa. Nanomboka tany amin’ny fanontaniana hoe «nankaiza ny vy an’i Soalala?» isika tamin’izany fotoana izany. Tao koa ny hoe inona no nentin’ny trafikana andramena nalaza tamin’izany ho an’ny firenena? Toy ny lamaody ny fanondranana volamena na trafikam-bolamena ary ny niafaràny moa dia ny fanabarabaràna vahoaka tamin’ny alalan’ny volamena nivadika vy tao amina biraona minisitra, izay, efa ny praiminisitra tamin’ny fotoan’andro mihitsy no nisolo toerana an’ilay minisitra tao amin’izany minisitera izany farany. Tao anatin’izay fotoana lavabe izay no saika niverimberenan’ireo voambolana samihafa tsy midika afa-tsy tsy fahombiazana toy ny hoe gaboraraka, werawera, solelaka, akamakama, kiantranoantrano sy ny namany rehetra. Heverina, noho izany, fa tsy mahagaga raha toa ka androany dia mbola toy izao ihany ilay firenena. Ny olon’izany kolontsaina politika tsy nitondra afa-tsy fahapotehan’ny firenena izany tokoa ve, hoy ny fanontaniana napetrak’ireo mpandinika samihafa, mbola azo antenaina hitondra rivo-baovao ho an’ity firenena ity? Heverina fa mila mianatra mandinika izany rehetra izany aloha isika ho fanombohana azy angamba!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-sept-2026

Raha te hanova dia mila miova

Card image cap