na 2 taona teo, ny fitondràna Ravalomanana, izany hoe taorian’ny raharaha 2009, dia saika lamaody ny fivoizana ny hoe fanorenana ifotony na fanovana ifotony sy ny toy izany rehetra. Vita ny fifidianana filoham-pirenena 2013 dia mbola teo an-databatra izany adihevitra izany. Nangingina avy eo ny resaka fa dia ny hoe fanovàna indray no novoizin’ireo nantsoina hoe depiote 73 na depioten’ny fanovàna, hono. Inona akory anefa moa no fanovàna tonga teo? Ny heverina hoe fiovaovàna isaky ny nihetsika angamba no nanomboka nitranga. Nisy vondrona politika neverina ho tao anatin’ny heriny tamin’izany fotoana izany, nivondronan’ireo depiote maro an’isa nilaza ny maraina fa tsy nankato ny praiminisitra notendrena ho marimaritra iraisana. Ny hariva ihany anefa dia nanaiky indray hoe mety io praiminisitra io. Nahatsiahivan’ireo mpanara-baovao politika izany lasa izany koa moa tamin’ny oktobra 2025 ny fanambaran’ny rafitra fanavaozana fa rava ny rafitra samihafa toy ny HCC sy HCDDED kanjo ora vitsy taty aoriana dia ny nifanohitra tamin’izany indray no voalaza fa zava-misy. Isan’ny fanontaniana lojika sy fototra tao anatin’izany, mazava ho azy, ny hoe fa inona ary no mahatonga ny tranga toy izany foana na koa hoe inona ary no ambadik’ireny? Ny tantaram-pirenena dia nanome valin-teny hatrany mikasika ireny fanontaniana nanitikitika samihafa ireny. Iny izao tamin’ny 25 septambra 2025 fa nametraka tantara vaovao indray ny tolona vaovao nisy teto amin’ity firenena ity dia nisy tanora marobe nihikiaka hoe mila fanovana. Fanavaozana aloha izany io no neken’ny fitondrana mijoro ankehitriny fa ho ataony. Efa miverina mivoy indray io izao ilay resaka fanorenana ifotony sy hoe fanovana ifotony. Lasa hevitra ifanakalozana etsy sy eroa indray. Na inona tokoa na inona aloha fanazavana dia heverina fa tsy maintsy fanorenana no mila atao fototr’izay ho atao manaraka eto amin’ity firenena ity na fanovàna io na fanavaozana! Iza rahateo moa no sahy miaiky fa efa miorina amin’ny maha izy azy, dia ilay mifototra amin’ny soatoavina sy nahafantarana azy hatrizay, ankehitriny ny fiarahamonina malagasy?
J. Mirija