vahoaka malagasy manontolo, raha iverenana jerena ny lalana nodiavin’ity firenena ity hatramin’izay ka hatramin’izao. Heverina fa tsy fanjariam-pirenena hatramin’ny taona 1896, fotoana naha voababon’ny frantsay an’i Madagasikara, mihitsy io mbola hitadiavantsika vahaolana io. Antony ilazàna izany ny fiaiken’ny maro an’isa maneho hevitra tato anatin’ny 17 taona farany fara-faha keliny hoe mbola tafiditra anaty fanjanahantany vaovao io firenentsika io. Mbola ny frantsay no mifehy ny solika, hoy ny fanehoan-kevitra sasany. Mbola ny tahirim-bola iraisampirenena no mifehy ny toekarena na koa hoe ireo firenena tandrefana. Ny filohan’ny fanavaozana mihitsy aza moa no efa niaiky fa mbola miankin-doha ara-politika sy toekarena isika. Mbola anaty tolona no azo amehezana azy. Anatin’ny tolona amin’ny fialana amin’izay fanjanahantany amin’ny endriny vaovao izay. Anatin’ny tolona ialan’ny antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy anatin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, eny, ny tsy fahitana fianarana mihitsy. Mbola lavitra ny tolona, hoy ireo mpanakanton’ny taona 2010 izay. Heverina fa mbola betsaka tokoa ny karazana tolona tsy maintsy atao eto amin’ity firenena ity ary tolona iraisan’ny mpiray tanindrazana rehetra mihitsy izany fa tsy ilay tolona politika nahazatra hatramin’izay, izay mifantoka amina firehana amina olona na loko politika. Mila itolomana mafy ny ivoahan’ny firenena tanteraka anaty fahantrana. Toy izany koa ny mba tsy hizoran’ny taranaka any amin’ny fanabeazana diso na koa fampianaran-diso, hoy ny fitenin’ireo mpisehatra amin’ny resaka finoana izay. Mila itolomana ny fahafaha-manarina ny toekarem-pirenena. Toy izany koa ny mba tsy handovan’ny taranaka dezaka, hoy ilay mpanakanto sady mpahaifiarahamonina iray izay. Mila itolomana ny mba tsy hananana taranaka, sanatrian’izany, ho domelin’ny fanatontoloana sy zava-maha domelina fotsiny. Heverina, araka izany, fa betsaka ny mbola tokony itoloman’ireo mahatsapa tena ho olompirenena malagasy sy tia tanindrazana marina eto amin’ity firenena ity ary tena mbola anaty tolona ny firenena manontolo!
J. Mirija