airtel

Edito

06-nov-2026

Asa manome

bala hitifiran’ny hafa !

Sample post image

Raha misy fanavaozana lehibe

06-nov-2026

tokony hatao dia anisany ny fanavaozana ny fanaovana politika ! Asa tokoa na ny fahefana no manova olona ny mpanao politika no tsy mahazaka fahefana, fa toa mbola misy ihany ireo sasantsasany mandova ny tsy mety tany aloha. Mijery ny fifandirana nisy teo amin’ny Minisitra sy Tale jeneraly iray, ohatra, dia toa mba zavatra azo nalamina sy nifampiresahana tany anaty birao ihany rehefa zohiana, saingy ireny nahariharin’ny karatra ireny. Dia lasa mivadika fifanaratsiana eny amin’ny facebook amin’ny fampiasana « compte fake » izay vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora, fampitenenana ireo akamakama hiaro an-jambany,… Zary lasa fomba fiadin’ny kanosa ! Toa mitady ho lasa fomba fiasan’ny manam-pahefana sasany io rehefa misy raharaha mahasaringotra na mety fahadisoana. Tsy hitsara be fahatany hoe iza no diso na iza no marina, fa ny manahirana dia zary lasa manaratsy sy mandoto endrika ilay fitondrana manontolo. Manome bala ho an’ireo nanjakazaka nanao tantely afa-drakotra ny firenena, saingy very fihinanana, rehefa nijoro ny vahoaka sy ny tafika. Tany aloha nisy mpikamban’ny governemanta nalaza mihitsy tamin’izany fa tsy azo hesorina, hanao ampamoaka vao alana amin’ny toerany,… Dia mbola ny tahaka izany no heverin’ny mpanao politika sasany fa paikady mahomby hahafahana mifikitra eo fa tsy ny asa sy ny vokatra ? Ny resaka sy fiteny hafahafa ataon’ny manam-pahefana sasany moa tsy lazaina intsony, izay toa lasa mampirefarefa sy mampietry ilay fanaovana politika sy fitantanana, lasa fandoto iray tandroka manaratsy endrika ilay Fanjakana iray manontolo. Tsy finiavana hanondraka menaka amin’ny afo efa mirehatra sanatrian’ny vava na finiavana hisintona lakolosy, fa kosa tsy afaka hijery arina an-tava. Fanovana sy fanavaozana no nimatimatesantsika teto, ka mila tena sahy manova sy manitsy ny tsy mety. Tsy azo jerem-potsiny sy havela hiitatra ny leson-dratsy, ferana ny fiantraikany ratsy, harenina izay azo harenina, ahitsy izay azo ahitsy, esorina izay tokony hoesorina,… Tokony haka lesona ny rehetra fa ny tsirairay dia mety horaisin’ny olona ho taratry ny Fanjakana iray manontolo, ka sao mba lasa ho ny voalavo no manao ny ataony dia saka no voatapa-drambo. Efa rano raraka izay vita, fa kosa ny sisa mila hatsaraina, tsy tokony hanome bala ny fahavalo politika izay efa mikopaka mafy izay fomba entina handemena sy handavoana ny Fitondrana, hanakanana ny fanavaozana tian-kapetraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-nov-2026

Vao rava kelikely, atao herintaona

Card image cap