ka asa hanao ahoana ny mety ho mbola fisehoany taorian’ny toe-javatra maro niseho. Na inona na inona aloha holazaina, dia tsy takona hafenina fa miha mihemotra sy miha mamohehitra hatrany ny resaka fanajana ny demokrasia sy ny fanaovana politika eto. Efa ho ny 10% latsaka kely amin’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy no tsy misy afatsy kandida tokana satria mahatratra 157 izany. Heverina fa sambany io teo amin’ny tantaran’ny fifidianana. Ny karazana fifamelezana politika samihafa mandeha ihany, hany ka na ny mpiray antoko sy mpiray vovonana aza toa misy mifandefona ivoho. Miha simba sy miha mirefarefa hatrany ny fanaovana politika eto, miakatra ny daozin’ny filalaovana saim-bahoaka, mihamafy ny fifampihantsiana sy ny fifanaratsiana,… Mitombo ny politika maloto hoenti-manabado vahoaka, mihamafy ny sarin’ady na ny adilahy ka ny mpanao politika sasany toa mifandamina sy manao bizina avo lenta any ambadika any fa ny vahoaka madinika no mifandrafy. Ezahina halavirina amin’ny tena vina sy foto-kevitra hampandrosoana ny firenena ny Malagasy, fa tezaina any amin’ny fanompoana loko sy tsangan’olona. Hatao izay hampivoana ny Malagasy any amin’ny endrika ivelany, mandeha ny fambaboana amin’ny teny sy firesaka poakaty miaro fampanofinofisana,... Mila mijery amin’ny saina sy ny fanahy, ary mandanjalanja sy mandrefy an’ireo mpanao politika hoe : iza marina iny ? Inona no lalan-kizorany ? Inona no asa efa nataony ? Nahomby tamin’ny fiainany sy nitondra fivoarana ho an’ny fiarahamonina ? Hanompo sy hanasoa firenena no antony hirotsahany sa hibizina sy hitady vola amin’ny politika ka ny Malagasy hatrany ho tratra farany ?
Toky R
ihany ny tokontanin’ity fifidianana kaominaly ity,
mponina ato anatiny rehefa zohiana amin'izao zava-misy izao.