airtel

Edito

26-mai-2025

Mila mifampisintona hiakatra !

Tsy misy tia sy mitia an’i Madagasikara mihoatra ny vahoaka Malagasy

Sample post image

izay ny 95% raha kely no tsy afa-mandingana sy tsy manan-kiafarana afatsy eto.

26-mai-2025

Tsy mba manana herijika na hijery sy hitsirika ny fomba sy ny fiainan’ny olona any ivelany, ny toe-tsainy entiny mivoatra, ny lamina entiny mandritra ny tanàna sy ny fiarahamonina ary ny firenena,… Mahonena ny mahita, fa vao misy tolotr’asa any ivelany dia mihazakazaka ireo mety manana fahaiza-manao sy herijika ho lasa satria tena marefo ny Firenena, mahantra eo ambony harena ny Malagasy,… Toa tsy manana fanantenana ny hiaina finaritra eto ireo manam-pahaizana sy avara-pianarana, eny fa na ireo antonontonony mety mahita asa any ivelany mifanaraka amin’ny fahaizany aza dia lasa. Tsy mahatsiaro ho miaina sy velona eo amin’ny Fireneny, ka betsaka no misafidy handeha hiorim-ponenana any ivelany na anaty fotoana voafetra ihany aza. Tena betsaka ary misy eto ilay antsoina hoe : « fuite des cerveaux » ka zary ny firenen-kafa no misitraka ny fahaiza-manaon’ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy izy ireny no misafidy no handao ny Firenena, fa tsy homena sehatra, tsy omena ny anjara andraikitra sahaza azy,… Raha samy hanao izany daholo anefa ireo heverina fa mba vato nasondrotry ny tany, ho aiza ny hiafaran’ity firenentsika ity ? Tena tsy misy fahagagana ny fampandrosoana mba tena hivoahan’ny Firenena amin’ny fahantrana, ary tsy misy afaka hamandroso an’i Madagasikara mihoatra ny Malagasy izany. Indrisy anefa, fa zary tratry ny zarazarao hanjakana isika, novolena teto ny kolontsain’ny ory hava-manana, namporisihina hifamotika sy hifandrafy ireo Malagasy mba manana ny toerany sy lanjany ara-toekerana,… fa ny vahiny kosa mifanampy ary mbola homen’ny manam-pahefana ara-politikasa sasany vahana. Ny antsika izay misongadina kosa mifanenjika sy mifamotika, mifanagadra,… Ny fahatongavan-tsaina fa isika samy isika no afaka hanavotra an’i Madagasikara, ka hifamelona sy hifampitsinjo ao anatin’ny rafi-pisainana madio isika Malagasy miainga avy an-tampony ka hatraty ambany no varavarana misokatra ho an’ny amin’ny fivoarantsika, fa ny sisa manaraka ihany ! Mila mpitarika afaka hametraka ny tena firaisam-pirenena !
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

fiainana politika sy ny fitantanana Firenena e ! Raha toa nangingina sy tsy

Card image cap
04-juin-2025

vita ihany fa ny hanjo ireo mbola malagasy aoriantsika ao ireo tokoa izany hanao ahoana?

Card image cap