Izao tontolo izao aza moa mbola voalaza ihany koa fa mbola ho rava. Mandalo avokoa! Isika rehetra izao mandalo. Ny harena mandalo. Ny fahefàna moa dia ireny efa matetika hita tamina firenena maro sy teto amin’ny firenentsika ireny koa ny tsy faharetany. Tsy nisy mafy noho ny Amiraly Ratsiraka, hono, kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny hoe nanao ahoana no niafaràny? 16 andro ihany koa no nandrava ny fitondràna Rajoelina izay neverina hatrany hoe niorim-paka nandritry ny 16 taona. Na iza na iza efa nitondra sy nahazo fahefàna teto amin’ity tany ity na teto amin’ity firenena ity dia samy mbola ho tonga any amin’ny fetrany daholo. Samy mbola ho tsaroana sisa ny anarany any aoriana any, mba tsy ilazàna hoe samy mbola hodimandry. Io fahefàna mandalo sy mankany amin’izany fiafaràny izany io foana anefa no mahagaga fa voalaza ho matetika anton’ny tranga mampihorohoro vahoaka toy izay mitranga ankehitriny eto amin’ny firenena tahaka izao eto. Voalaza ho antony nitrangàna doro tanety matetika tany amin’ny repoblika faharoa na faraparan’ny repoblika voalohany tany izany. Voalaza ho antony nampahoraka ny fisian’ny atao hoe mpaka rà tany amin’ny faramparan’ny taona 2000 tany. Toy izany koa ny zava-misy tao anatin’ny fitondràna Rajaonarimampianina sy ny taorian’ny fanonganam-panjakàna 2009. Io indray izany izao aty amin’ny taona 2026 fa mahoraka ny fisian’ny fahaverezan’olona. Tsy mbola nisy mihitsy teo amin’ny tantaran’ity firenena ity, eny, teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, nefa hoe olona nahazo fahefàna dia lasa velona mandrakizay. Na ny iray monja aza dia inoana fa tsy nisy. Asa koa hoe ny taranak’ireo mambam-pahefàna rehetra teto amin’izao tontolo izao na teto amin’ity firenena ity hatramin’izay naha tany ny tany ve niadam-pinaritra hatrany? Andeha atao hoe nanankarem-be sy nandray hatrany izay notadiaviny rehetra angamba. Natory tsara hatrany ve nefa? Tena zaka ve ireo heritreritra nanenjika vokatr’ireo ratsy nataon’ny razambeny na ny sanatria mety ho ratsy nataon’ireo mpandova ihany koa? Tena mahasoa noho ny mifamelona ve ny mifamono, hoy ny famintinan’ilay raiamandreny iray azy izay? Tena mahagaga tokoa isika olombelona, raha izany, manoloana an’ity fo tamana sy mamikitra amin’ny fisiana mandalo avokoa eto ity!
J. Mirija