saingy tena mbola sarotra ho antsika Malagasy ! Mandindona eny foana ny toe-tsaina te hanohatra ny fanovana na « résistance au changement », tsy mijery ny ampitso, tsy miraharaha ny soa iombonana,… fa toa samy te hanao izay maha diavolana ny sainy. Lasa fialokalofana sy fierena amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fahantrana, fahasahirana, tsy fananan’asa,… Dia ireny avy eo no japian’ny mpanao politika sy entiny hamendrofendroana, hitarihana ny vahoaka hihoa-pefy. Sanatrian’ny vava manamaivana ny fahasahiranan’ny isam-batan’olona, saingy mba mila jerena ihany koa ny soa ho an’ny rehetra fa tsy boriboriana amin’ny hoe : « hangalatra ary ve izahay ?» Aiza no hiafarana raha samy hanao izay tiany sy izay maha diavolona ny sainy, ka tonga hatrany amin’ny fandrefesana ny Fanjakana. Manana ny zony haneho hevitra, tsy hankasitraka izay heveriny fa tsy rariny, mitaky izay heritreretiny fa rariny ny rehetra, saingy zava-doza raha toa ka tonga hatrany amin’ny hoe : andao hikomy, hosakanana ny lalàmpirenena,… Enga anie ka tsy ho efa tafiditry ny fikopahana afo ara-politika. Tsy resaka tsy fitiavana na fankahalana ireo mpitatitra sy ireo mpisehatra amin’ny asa manodidina izany etsy Fasan’ny Karana sanatrian’ny vava, ka ho faly amin’ny mety ho very asa, mety ho sahirana amin’ny fivelomana,… fa mba mijaly ihany koa anie ny mahazo ny olom-pirenena eo anatrehan’ny fisavoritahana mahazo azy ireny e ! Mba marary ihany koa anie ny ain’ny olona mizaka ny gaboraraka e ! Raha samy handeha hikomy noho ny fahitana fa zavatra tsy ara-drariny, kanefa vao mainka handeha hihetraketraka amin’ny hafa tsy manan-tsiny sy tsy nanao heloka ve tsy vao mainka lasa mifamono am-pitoerana eto isika? Mila miova raha te hanova !
Toky R