airtel

Edito

29-oct-2026

Tena mbola tolona!

Mila fanavaozana ny politika

Sample post image

sy ny fiainam-pirenena eto Madagasikara.

29-oct-2026

Tsy ampy intsony ny kajikajy politika, ny fanovana endrika ivelany na ny fanoloana olona eo amin’ny toeran’ny mpitondra. Ny tena ilaina dia ny fanavoazana marina, miainga amin’ny finiavana politika matotra sy ny fahavononana hanova ny fomba fitantanana tsy mety. Mila fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy tokony ho fitaovana hanompoana tombontsoan’olon-tokana na vondron’olona, fa rafitra miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Ilaina ny fitantanana mahomby, mangarahara ary mifototra amin’ny fahaiza-manao, fa tsy kajikajy politika. Tsy tokony hijanona ho teny filamatra ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka, fa tsy maintsy hita taratra amin’ny asa sy ny vokatra azo tsapain-tanana. Tsy afa-misaraka amin’ny fanavaozana ny tamberin’andraikitra. Tsy maintsy tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-keviny sy ny asa ataony ny mpitondra, manomboka eny ifotony ka hatrany amin’ny ambaratongam-pahefana ambony indrindra. Tsy tokony ho ampy intsony ny fampanantenana sy ny fanazavana omena rehefa misy olana, fa ilaina ny fanekena ny andraikitra sy ny fandraisana fepetra rehefa misy tsy fahombiazana. Ny fahefana dia tsy tombontsoa manokana, fa andraikitra aman’andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka. Tsy ho tanteraka ihany koa ny fanavaozana raha tsy misy ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena. Tsy tokony hijanona ho mpijery sy mpitaraina fotsiny ny vahoaka, fa mila mahatsapa ny anjara toerany amin’ny fanorenana ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalana ny zo sy ny adidy, ny fandavana ny kolikoly, ny fanajana ny lalàna ary ny fahavononana handray anjara amin’ny raharaham-pirenena. Tsy azo avela ho an’ny mpanao politika irery ny hoavin’i Madagasikara. Mazava araka izany fa tsy ny fanovana olona na ny fifandimbiasam-pahefana fotsiny no ilaina. Tsy maintsy ovaina koa ny fomba fisainana, ny fomba fitantanana ary ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tsy maintsy ialana ny politika mifototra amin’ny tombontsoa manokana, ka soloina politika mifototra amin’ny tombontsoam-bahoaka sy ny hoavin’ny firenena. Mitaky finiavana, fahasahiana ary fanoloran-tena maharitra izany. Ny tena fanavaozana dia refesina amin’ny fiovan’ny fiainan’ny vahoaka, ny fahombiazan’ny fitantanan-draharaha, ny fahamarinan’ny fitsarana ary ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny andrim-panjakana. Tsy ny fanovana endrika no ilain’i Madagasikara, fa ny fanovana fototra. Tsy ny kajikajy politika no tokony hamaritra ny hoavin’ny firenena, fa ny finiavana hanorina fitondrana tompon’andraikitra sy olom-pirenena mahatsapa ny andraikiny. Efa misy ny dingana natomboka sy ny finiavana saingy mbola lavitra ny tanjona tokony hiarahana manatratra!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-oct-2026

ho ato ny fehezantenin’ny

Card image cap