airtel

Edito

28-oct-2026

Tsy maintsy

hisy ny fanerena! Nalaza tato

Sample post image

ho ato ny fehezantenin’ny

28-oct-2026

filohan’ny fanavaozana hoe «Tsy ny «pression» eny amin’ny Facebook no handraisana fanapahan-kevitra.». Misy ireo mametra-panontaniana manoloana izany hoe inona moa izany no maha samihafa an’izany amin’ilay resaka «6% imbéciles» tamin’ny fitondràna teo aloha sy ny fehezantenin’ny filoham-pirenena tamin’izany hoe «Tsy izay olona 10 na 12 na 13 na mety ho 14 ao amin’ny Facebook no…»? Resaka fanerena avy amin’ny olompirenena hatrany moa ao anatin’izany no resaka. Tsy resaka maro an’isa sy vitsy an’isa loatra angamba eto no fototry ny adihevitra mifamahofaho fa lasa any amin’ny hoe iza moa ireo maneho hevitra ireo? Ny mpitondra izany mitovy amin’ny mametraka fanontaniana hatrany hoe fa ireo mpikirakira tambazotra moa no iza no hibaiko ny fanapaha-kevitry ny mpitondra? Ny aty amin’ny tambazotra indray toy ny mampahatsiahy hatrany hoe ny fanaovana tsinontsinona azy ireo no nahavoa ny teo aloha. Na tiana na tiana aloha izany dia tsy maintsy hisy ny fanerena na avy amin’iza io na avy amin’iza rehefa resaka fitantanana fiarahamonina izany. Na fiarahamonina anaty firenena eto no resaka na fiarahamonina hafa dia tsy maintsy mahazo izany avokoa, hatramin’ireo mihevitra azy ho mpanery. Mbola famelabelaran-kevitra be moa raha izay no resahana fa raha i Madagasikara aloha izany no resaka dia isan’ny mbola heverina ho manery eto hatramin’izao ny fianakaviambe iraisampirenena, ny banky iraisampirenena, mpiara-miombon’antoka samihafa sasany avy any ivelany, mety misy hafa ankoatrany koa fa ny filohan’ny fanavaozana aloha izany iny dia isan’ny mahatsapa fa manao fanerena na tsindry ho an’ireo mpitondra ihany koa ny eny amin’ny tambazotran-tserasera. Inona moa izany no tonga dia tsy maintsy andraisana amin’ny fijery miiba an’izany voambara izany fa maninona no tsy raisina amin’ny hoe manisy lanjany na «considération» an’ireo mpisehatra eny amin’ny tambazotran-tserasera izany ilay filoha? Ny hoe iza ihany koa no miteny na manery ve nefa no tena tokony ho fantarina sa ny hevitra no tokony ho raisina hoe mitombina sa tsia mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra tsara avy eo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

vaovao dia matetika resahana ny

Card image cap