airtel

Edito

30-oct-2026

Tsy mora!

Tsy mora izany manavao

Sample post image

indrindra moa hoe manova izany,

30-oct-2026

raha ny fahazaran'ny malagasy efa an-taonany maro no jerena. Efa fiteny mihitsy eto matetika koa aza moa ny hoe "Sarotra ny miala amin'ny mahazatra!". Ao ny olona zatra miteny hoe mila manova toetsaina isika kanefa matetika ilay na ireo mpiteny izany mihitsy no tena tsy vonon-kiova akory. Nanamporofo izany hatrany ny fomba fanaovana politika teto an-taonany maro. Toy izany koa ny fitantanan-draharaham-panjakàna, izay voalaza fa tena fototry ny ady amin'ny kolikoly amin'izao fotoana izao io. Mandeha izao ny fanontaniana hoe aiza ihany ilay fikaonandoham-pirenena? Ny mpikarakara tokoa ve no tena tsy te hanomboka azy sa misy antony hafa? Rehefa miverina mijery ny tantaram-pirenena mihitsy dia tsikaritra fa efa ela isika no nalaina hifampiresaka sy hifampidinika. Raha nampazoto ny tena nandrasana namaha olana teto ve izany, naninona no tsy nahomby ny fifanarahan'ny Panorama izay ho tsaroana rahampitso ny faha 35 taonany? Toy izany koa ireny nisiana fanelanelanana samihafa toy ny Dakar I sy II ireny na ny Fifanarahan'i Cotonou. Ny tondrozotra tamin'ny 2009 izany moa dia sahin'ny sasany tamin'ireo nanao sonia azy mihitsy koa no nody fanina tsy nanatanteraka an'ilay fotsiny izao. Samy nahatsiahy ny tantaran'ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana tamin'ny andron'ny depiote miisa 73 koa angamba ny mpanara-baovao tamin'ny taona 2018. Asa hoe rehefa mahatsiahy izany rehetra izany, tsy ho lojika ihany koa ve raha toy ny mandroso mihemotra ankehitriny ny tena fanapahan-kevitra mikasika an'ilay hoe fikaonandoham-pirenena? Tsy ny mpitondra ihany fa isika malagasy mihitsy ve efa vonon-kiroso amin'izany? Efa vonona ny hanavao ny fiainan'ity firenena ity ve? Efa vonon-kiova sy hanova ve? Ny heverina fa tsikaritra sy tsapa hatreto aloha dia ny hoe tsy mora ilay manavao sy manova kanefa tsy maintsy irosoana raha tsy hoe resy lahatra angamba isika mianakavy fa aleo mikorosifahana kokoa noho izao!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-oct-2026

sy ny fiainam-pirenena eto Madagasikara.

Card image cap