airtel

Edito

27-juil-2026

Sarotra tantanana!

Ankoatran’ny maha firenena

Sample post image

tsy mety afaka tanaty fahantrana

27-juil-2026

azy dia ity Madagasikara ity ihany koa angamba tao anatin’izay 68 taona nidirany tao anaty repoblika izay no isan’ny firenena sarotra tantanana indrindra teto amin’ity tany ity! Nanao ny politikan’ny kibo ny filoham-pirenena voalohany teto, Philibert Tsiranana, nanomboka ny taona 1958, ary azo lazaina hoe nitondra voalohany izany endrim-pitondràna federaly izany ihany koa. Manohy ny fivoizana izany federalisma izany ihany koa moa amin’izao fotoana izao ny antoko politika PSD, izay natsangany, amin’ny alalan’ny mpandrindra nasionaly, izay zafikeliny ihany. Nezahana napetraka indray taty aorian’ny taona 1972 taty ny atao hoe «Fanagasiana» sy ny sekoly tsy miangatra saingy voaravina ihany koa taty aoriana ny neverina ho lesoka fototra tao anatin’izany dia ny hoe rafitra tsy tokony natao hanariana ny fiaraha-miasa azo natao ivelan’ity nosy ity izany na tsy voatery hiara-hiasa amin’ny frantsay intsony aza. Ny repoblika voalohany moa, izay nampipoaka ny tolona tamin’ny 1971 sy 1972 dia nifototra tamin’ny hoe tsy fanekena ny mbola fanjanahana amin’ny endriny vaovao ny firenena ihany koa ankoatran’izay. Nanavao ny rafitra Fokonolona, izay neverina fa tena an’ny malagasy madio tanteraka amin’izay ary taorian’izay ny Kolonely Richard Ratsimandrava rehefa napetraka ho minisitry ny atitany tao anatin’ny fitondràn’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa. Ny zava-nitranga nefa avy eo dia toy ny nandrasan’ireo tsy mataho-tody kendritohina fotsiny izay nahatongavany ho filoham-panjakàna teto amin’ity firenena ity mba hamonoana azy sy izany rafitra navaoziny izany. Niditra taty aoriana ny vanim-potoana Ratsiraka sy ny rivotra sovietika. Niezaka nametraka ny atao hoe faritany mizaka tena koa ny Amiraly tamin’izany fotoana izany. Neverina ho an-dalana ny hiroboroboan’izany nialohan’ny nidirana tamin’ny krizy 2002 saingy ravan’iny indray moa avy eo. Tonga nitondra ny Madagasikara am-perinasa nanomboka teo ny «sady bogosy no mpanana» saingy teo am-periny ihany indray koa izany no ravan’ny krizy 2009. Hatraty amin’ny taona 2025 avy eo tsy mbola nety tafavoaka tanaty krizy ihany. Tsy afa-nametraka fampandrosoana lavitry ny adilahy politika mihitsy fa dia nieloelo teny foana ny fahenoana hoe nisy fifanarahana tahaka an’izao na tahaka an’izao tany ho any. Nandramana teto daholo mihitsy ity karazan-drafitra rehetra ity saingy ny nahagaga dia ny nahatsiarovana hatrany ho mbola fisiana rafitra lalim-paka nangeja tsy nahafahan’ireny andrana ireny nivoatra akory na dia ananan’ilay firenena aza ny harena voajanahary marobe tsy ilàny fiankinandoha avy any ivelany akory. Eto am-pijerena izany atao hoe fanavaozana izany indray izao isika ka dia asa aloha fa tena sarotra tantanana izany raha firenena!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

ny rehetra eto ambonin’ity tany ity.

Card image cap