ny fitsarana ny raharaha Ambohimalaza na ilay tsingerin-taona mainty namoizina aina tanora 35 be izao. Niavaka ny fampitana mivantana ny raharaha tamin’ny haino aman-jery. Zava-dehibe, mampiseho ny finiavana hametraka ny mangarahara,… Betsaka ny liana sy nanaraka satria tena nahaliana ny maro ity raharaha ity izay nitarazoka nandrfitra ny 16 volana. Somary nanahirana ihany koa amin’ny lafiny iray ny pitsopitsony satria betsaka ny endrika fitsaram-bahoaka virtoaly na niainga teny amin’ny tambajotran-tserasera teny, betsaka ireo valin-teny na adihevitra nahaliana fa nisy koa ny mety nampihomehy. Betsaka ihany koa anefa ny zavatra toa tsy voatandrina noho ny mety tsy fahalalana na tsy fahamalinana fa amin’ny lalàna dia mitoetra foana ny zo amin’ny maha mbola tsy meloka na « présomption d’innocence », saingy betsaka ny serasera tamin’ny haino aman-jery na olon-tsotra ninia nanaparitaka sarin’olona miseho endrika, izay tsy miaro na iza na iza isika, fa lasa manimba olona. Fa ny mety hanokatra ny adihevitra ihany koa dia ny hoe : azo hapetraka hiaingaina hanaovana didy fakan-tahaka na « Jurice prudence » ny rahaka izao ka halefa mivantana tsy misy tombo sy hala ireo afera goavana rehetra : sinoa 11, fanodinkodinana volam-panjakana goavana, olona ambony manana dosie maloto,…
Toky R