voalaza fa misy lafiny maha ratsy sy maha tsara azy avokoa. Voalaza fa anatin'ny fanavaozana anefa isika izao ka heverina ho ny mety indrindra, noho izany, dia ny mijery ny lafiny tsara hatrany aloha mialohan'ny lafiny ratsy ao anatin'izay tranga miseho rehetra izay. Manao fijery miabo indray koa moa izao no fiteny malaza entin'ireto milaza azy ho mpivoy fampivoaran-tena na "développement personnel" lasa lamaody, indrindra, aty amin'ny tontolo renivohitra ankehitriny ireto. Io izao ny raharaha Ambohimalaza fa ampitaina mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakàna. Fanintelony tamin'ny raharaham-pitsaràna natao toy izany teto amin'ny firenena izy io, raha ny tsiahy ara-tantara voaray. Tsy azo adinoina indrindra ao anatin'izany ny hoe namoizana ain'olona na mpiray tanindrazana miisa 35 be izao izany raharaha izany. Tsy azo tsinontsiniavina izany na dia efa fotoana azo lazaina ho ela aza no nisian'iny tranga iny. Sarotra ny hipetraka eo amin'ny toeran'ireo fianakaviana izay inoana fa mbola miaina ratra-po, indrindra moa fa io nifoha eny amin'ny fitsaràna io ny raharaha. Azo raisina ho lafin-tsarany amin'ny fandefasana ny raharaha nefa, etsy ankilan'izay, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika sasany, ohatra, ny fahitàna mangarahara hoe ohatran'ny ahoana tokoa moa ny zava-miseho anatin'izany hoe miatrika fitsaràna eto Madagasikara izany? Ny tanora na ny mpianatra mety efa mba mahita sahady hoe ohatran'ny ahoana, ohatra, izany asana mpisolovava na mpitsara? Ny olana nefa, noho ny tsy fahaizana mampiasa itony tekinolojia vaovao toy ny tambazotran-tserasera itony amin'ny zava-mahasoa, dia lasa mibahan-toerana ny hanihany sy vazivazy. Any amin'ny resaka fijangajangana maro loko no hita ho tena mahaliana ireo antsoina hoe "mpanara-baovao" maro ankehitriny. Asa hoe iza amintsika no mba liana amin'ny hoe iza marina izany no tena ambadik'ity raharaha ity ary inona no nanosika azy hanao izany? Mba mahaliana ny olompirenena tokoa ve ny hoe inona no tena marina amin'ity raharaha ity ary izay marina izay no tena mahaliana sy ho karohana sa hoe iza fotsiny no ho melohina? Manoloana izany indrindra no heverina fa tokony hampahatsiahivana ny hoe andron'ny fanavaozana izao. Fotoana tokoa ianarana izay tokony ianarana rehetra ary dia miezaka samy manavao ny tenany avy mihitsy moa izany, araka ilay fomba fiteny matetika hoe ny toetsaina mihitsy aloha no mila miova na koa hoe mila manavao toetsaina!
J. Mirija