Tsy tomombana ny resaka fotodrafitrasa. Potika ny lalana. Vokany, sesilany ny lozam-pifamoivoizana. Ontsa ianao sady mihorin-koditra tamin’iny faran’ny herinandro iny nahita hoe tena azo lazaina ho fianakaviana iraimanontolo no tsy nisy aina tratra intsony vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teo anelanelan’I Fianarantsoa sy Manakara. Samy maminavina ny rehetra hoe lalam-pirenena faha firy indray io namoa-doza io? Tsy tomombana ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Saika isan-kerinandro izao dia mandre hoe nisy zazakely narian-dreniny indray tatsy na taroa. Farany teo izao hoe tao Moramanga. Dia hihazakazaka hanome tsiny ilay reny ve isika, hoy ny fanontaniana mipetraka sisa, satria hatraiza tokoa moa izany izao eto amin’ity firenena ity no fetran’ny antsoina hoe tsy azo anoharana? Mahantra loatra ilay Madagasikara. Mahantra ny sain’ny olompirenena. Tsy manana heritreritra afa-tsy ny ho hanina omaly fa tsy mba hoe anio intsony akory. Kely ny karama raisina isam-bolana ary tsy ahitana fisondrotana firy koa izany satria ireo mpandraharaha izay tompon’ny orinasa koa aza mikaikaika amin’ny afitsoky ny krizy tsy mbola mety voavaha hatramin’ny taona 2019 sy ity hetra maro lafy foronina ho azy sy midangana ity. Marary koa ny dikan’izany ny paosin’ny mpiara-monina. Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana intsony izao na iza na iza. Lojika, mirongatra koa ny tsy fandriampahalemana ary na ny fitondram-panjakana aza efa hita ho misambadidaka amin’ny fanapahankevitra tokony ho raisina. Izy no nandrara ny tsy tokony hankalazana ny 8 martsa amin’ity kanefa dia izy ihany koa no nandika izany voalohany. Ny fanapahana noraisina anio, misy anio ihany dia efa nofoanana. Ho aiza ary isika ity ?
J. Mirija
Ny nenina tsy aloha hananatra fa ao aoriana handatsa, hoy ny fahendren-drazantsika izay. Hatramin’ny filohan’ny
Mampieritreritra ny kabarin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fitsidiham-paritra nataony faran’ny herinandro teo hoe : amin’ny maha Filoha am-perin’asa azy sa kabary amin’ny mety mbola haha kandida azy indray?